Politique

Arema Tonga i Tantely, lasa i Abdallah


  • Zoma 24 Desambra 2010

Ara-bakiteny io, nefa mety ho fifanojoan-javatra ihany. Niala teto Madagasikara omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, nihazo an’i Lafrantsa, tamin’ny zotra Corsair, i Houssen Abdallah, ministra Arema nisahana ny jono sy ny harena an-dranomasina tamin’ny Repoblika faha-2, nitondran’ny Amiraly Ratsiraka.

Tamin’ny faramparan’ny volana jolay 2010 izy, tsiahivina ihany, no nitodi-doha an-tanindrazana, rehefa nanao sesitany ny tenany noho ny raharaha 2002, na ny marimarina kokoa noho ny fanenjehana sy ny fifofoana ny ainy sy ny fianakaviany mihitsy aza, nataona mpanao politika zanaky ny Faritanin’i Mahajanga toa azy ihany. Na teo aza anefa izany dia tsy nanao lolompo fa nitory hatrany ny fifamelana sy ny fampihavanana ny tenany tao anatin’izay dimy volana nijanonany teto izay. Faniriany aza ny hiverina indray eo anivon’ny fianakaviamben’ny mpitsara. Mpitsara rahateo ny tenany, izay no nianarany sy niofanany.

Araka ny fantatra aza dia efa nodinihina teo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara ny momba azy, ary toa nahazo fankatoavana ka dia hiverina hisahana asana mpitsara indray ny tenany, rehefa tafaverina an-tanindrazana aorian’ny fety. Hanao fety miaraka amin’ny vady aman-janany, izay mbola tavela any Frantsa any, rahateo no nandehanany omaly. Mbola mianatra ny zanany, moa ramatoa mikarakara ny ankizy. Fa teo amin’ny lafiny politika dia fantatra fa nokôtikôtian’ny FAT fatratra i Houssen Abdallah hiditra ao amin’ilay governemantan’ny fisokafana, izay hotarihin’ny jeneraly Camille Vital, ankoatra izay ho olon’ny TIM sy an’ny Pr Zafy hanampy azy, ny tetika dia mba hampihanjahanja ny Ankolafy Telo sy hahafaty momoka ny tolona ataon’ity farany, saingy toa nanda i Houssen Abdallah. Izy rahateo efa hiverina indray amin’ny asa maha mpitsara azy. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT