Tao anatin’ny fivoriana nanambaran’ny ankolafin’Arema miaraka amin’ny mpandrindra nasionaly Ralaidovy Samuel sy Sekretera nasionaly “administratif” Vaovao Benjamin ary ny “Mandataire” –ny “Direction collégiale” sy ny “Groupe parlementaire Arema” Robson izay mitaky ny handraisan’ny Sekretera nasionaly voafidin’ny kongresy farany (2009) teny Andrefan’Ambohijanahary dia Atoa Pierrot Rajaonarivelo ny andraikiny amin’ny toe-java-misy no nahafantarana avy amin’ireo mpikambana vitsivitsy tonga tao (solontenan’i Toamasina, Vangaindrano, Fianarantsoa, Antsiranana ary Antananarivo) fa misy disadisa anatiny marina ao amin’ity antoko ity.
Misy ny mitady hanangana izany fitantanana “Collégiale” izany ao amin’ny an-kolafy sasantsany ka nahatonga ity antso natao teny Ankorondrano omaly ity. Voamarika ho efa nanala tena kosa raha nanorina antoko hafa ny mpikambana toa ny mahery fo tao amin’ny antoko, Atoa Andriamahefa Henri Charles izay nahagaga ny mpiara-dalana aminy akaiky tany Moramanga ihany, Atoa Rakotomanana Henri, ny fanapahan-keviny. Nilaza ny mbola ho avy ihany hanatevina ny foibe amin’ny fotoana mahamety izany nefa mangatsiatsiaka fihetsika ihany ny Arema Matotra tarihan’Atoa Pierre Raharijaona, hoy ireo namany.
Tsy nanary tena akory ireny, hoy izy ireo fa tahaka ny zaza mpiray tampo tsy voatenin-draiamandreny noho ny fisarahan-toerana. Voalaza fa tsy tena mitonona ho Arema tanteraka fa miteny hatrany amin’ny alalan’ny maha-“mouvance Ratsiraka” azy ny Pr Ange Andrianarisoa sy Atoa Tantely Andrianarivo, mbola tsy mety miara-miray dia tanteraka amin’ireo namany etsy ambony. Antoko mitady ny very ary te hanambatra hery mafy hiatrehana ny fifaninanana amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena, raha ny marina ity Antoko ity, saingy mbola sakanan-java-tsy fantatra ka mifampiandriandry sy mifampihenoheno mety hilaozan’ny hafa eo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.