Politique

Arema Ratsiraka Tsy hipetra-potsiny manoloana ny fandrombaham-pahefana …


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Manamafy hatrany ireo mpikatroka Arema miaraka amin’ny Amiraly Ratsiraka fa tsy azo ekena mihitsy izany hoe i Pierrot Rajaonarivelo hitantana ny antoko izany, na inona na inona mety ho antony.

Araka ny nambaran’izy ireo mantsy, ary nanamafy izany ny Printsy Elakovelo dia mpamadibadika palitao Atoa Rajaonarivelo ary tsy mendrika ny hitantana antoko goavana tahaka ny Arema izay tsy niova mihitsy tamin’ny foto-kevitra nijoroany ary manaraka sy mankato ny toromarika rehetra avy amin’ny filoha mpanorina na dia tsy mbola eto an-tanindrazana aza izy. Namerina kely ny tantara ny Printsy Elakovelo ka nilaza fa nanaiky ny fitondran’i Marc Ravalomanana ary niarahaba ity farany raha vao nahavita ilay fianianana tsy tena izy ny 22 febroary 2002 i Pierrot Rajaonarivelo, ary efa nitetika ny hahazo ny toeran’ny praiministra tamin’izany fotoana, saingy voatsipaka am-bavafo dia nitonantonana tany Toamasina indray saika hanambitamby ny filoha Ratsiraka kanefa tsy nahita rirany tany ihany koa.

Raha tonga nandrombaka ny fitondrana indray i Andry Rajoelina dia nanohana azy indray i Pierrot Rajaonarivelo ary mankasitraka amin’ny ankapobeny ny fomba fitantanana sadasada misy amin’izao fotoana. Tsy misy voambolana hafa mahalaza izany afa tsy ny hoe famadihana palitao, raha ny fahitan’ireto mpiara-dia amin’i Didier Ratsiraka ao anatin’ny antoko Arema ireto. Nilaza ny tsy hipetra-potsiny izy ireo manoloana ny tetika handrombahana ny fitantanana ity antoko ity.

Eo amin’ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny kosa dia nanambara ny Printsy Elakovelo fa efa hatry ny ela no vonona amin’ny hikarohana marimaritra iraisana hamahana ny krizy ny Ankolafy Telo na teto Madagasikara izany na tany ivelany, saingy ny ankolafy Rajoelina sy ny FAT no mitsivalana lava tamin’ireo ezaka rehetra, ka izay no mampitarazoka ny krizy. Raha ny tena marina, hoy izy dia fiaraha-mitantana izany fitondrana tetezamita izany, ary tsy tokony hisy mpanohitra satria mifanome tanana manarina ny firenena sy manangana fototra vaovao ny rehetra ; koa matoa mbola misy mpanohitra eto amin’izao fotoana dia misy zavatra tsy mbola mety izany ary mila hikarohana vahaolana miaraka.

 
Nangonin’i RTT
 
Sary : Printsy Elakovelo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT