Tontosa soa ny zoma 20 martsa 2020 lasa teo ny Kongresy Nasionaly ny Antoko AREMA tao amin’ny FOFIKRI Ankadikely Ilafy, izay nandraisan’ireo mpikatroka manerana ny Nosy anjara. Solontena telo isaky ny distrika no nandrafitra ny lisitry ny mpizaika tamin’izany.
Ankoatry ny fankalazana ny faha-44 taona ny vaninandro izay nijoroan’ny Antoko AREMA (19 martsa 1976 – 19 martsa 2020) dia lahadinika maromaro no notapahina. Nisy ny fanovàna vitsivitsy noho ny fanavaozana ny sata sy ny fitsipika anatiny: niova ny sary famantarana ny Antoko AREMA ka naverina mitovy tamin’ny voalohany niforonan’ny antoko; novaina ihany koa ny fanalavana ny anaran’ny antoko ka lasa hoe Antoko REvôlisionera MAlagasy no hiantsoana ny AREMA manomboka izao raha Avant-garde de la Révolution Malgache izany teo aloha. Nisy rafitra nofoanana (Kolejy Nasionaly) sy vaovao noforonina (Komity ny Olon- kendry) ary nitarina hatrany amin’ny Faritra (Komity Mpitantana Nasionaly isaky ny Faritra). Raha ny fandaharam-potoana dia tokony tao amin’ny Hôtely Carlton Anosy ny sabotsy lasa teo ny famaranana ny Kôngresy Nasionaly ity miaraka amin’ny fankalazana ny tsingerin-taonan`ny antoko. Saingy vokatry ny fanambarana izay nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena ny alin’ny Zoma 20 martsa 2020 izay mandrara ny fivorivoriana, fepetra noraisina amin’ny fihanaky ny valanaretina COVID- 19 dia voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka aloha izany.
Marigny A. sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.