“Manana ny foto-kevitra hijoroany ny antoko Arema ary tsy mahamaika ny hanohitra na hanohana be fahatany ny fitondrana”, hoy Atoa Simon Pierre, sekretera jeneralin`ny antoko AREMA.
Ny hametraka ny firaisam-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy no zava-dehibe ho an`ny antoko ary mifototra amin`ny hery vaventy izay notarihan`i Deba tamin`ity firenena ity. Antoko politika tsy manana tsangan-kevitra dia tsy antoko politika, hoy i Ange Randrianarisoa, mpandrindra nasionalin`ny AREMA. Hatramin`izao dia ny firaisam-pirenena, ny fitsinjaram-pahefana, ny fampandrosoana mirindra sy mifandanja no tsangan-kevitry ny antoko. Voasoratra izany ao amin`ny boky mena, IP21 (karazana tetikasa novolavolaina tamin`izany) kanefa mbola hatao. Raha toa izy ireo no milaza mba hitovy zo ny Malagasy rehetra dia tsy mahazo ny hafa. Marihina fa ny antoko Arema dia efa nanao ny tetikasa rano fisotro madio (pipeline mankany Belo), saingy simba fa tsy nisy nikarakara. Matoa ny AREMA nametraka dokotera isaky ny faritra dia mahafantatra fa tsy ampy ireny. Nomarihany fa izy ireo no nametraka ny CSB manerana ny nosy, fanabeazana ho an`ny rehetra… Fanohizana ny asan`ny AREMA no zava-misy ankehitriny fa tsy zava-baovao. Matoa ny hevitry ny AREMA no haindraindra dia mijoro ny antoko. Ny lalàna no ahafahana mametraka izany anaty tetibolam-panjakana mba ho tombontsoa iombonana ho an`ny rehetra. 43 taona ny antoko AREMA ary betsaka ny zavatra heverina fa tsara ary maro no tokony hotohizana sy hamafisina. Manana kandidà amin`izao fifidianana solombavambahoaka izao amina faritra maro eto Madagasikara ny antoko AREMA. Nitondra ny tany tamin`ny fandriampahalemana amin`ny ankapobeny ny antoko ary tsy menatra amin`ny zavatra nataony, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.