«Manahy izahay fa tsy hisy zavatra hanjary eto fa dia resabe daholo», hoy ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) Rasamimaka Mahefalahy tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly, manoloana ireo iraka avy amin’ny SADC ho avy eto amintsika izay hotarihin’ilay Mozambikanina, Dr Leonardo Simao.
Raha vao jerena fotsiny ny olona, hoy Rasamimaka dia azo an-tsaina na hahomby na tsia ny zavatra hatao ka raha ireto iraka ireto dia hafahafa ny zavatra hiseho, hoy ihany izy. Nambarany fa dia tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto raha tsy tafody ny filoha Marc Ravalomanana. Koa rehefa tapitra ny 60 andro lazaina fa nanaovana tombana teknika momba ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana, izany hoe aorian’ny 18 oktobra 2012 ka mbola fandrirarirana no hiseho, hoy ny Me Rasamimaka dia «tsy hijanona fa vonona higidragidra amin’izay». “Gidragidra miaraka amin’ny ati-doha no hatao”, hoy izy.
Nambaran’ny CT Ravelonanosy Mamitiana fa raha hanara-maso ny fanatanterahana ny sori-dalana no ho foto-dian’ireo delegasiona avy amin’ny SADC dia tokony hotanterahiny tokoa izany fa raha hanao afera kosa, hoy izy dia hanome poizina ny Malagasy izany. Manao antso avo amin’ny SADC ny tenany mba hitazona ny fanapahan-keviny, ao anatin’izay ny fampodiana an-dRavalomanana ato anatin’ny 60 andro araka ny tapaka tany Maputo ny 17-18 aogositra 2012 teo. Mitady hivily tsy hampihatra ny sori-dalana ny FAT, hoy ny CT Ravelonanosy Mamitiana ary anarany fotsiny ny hoe fiaraha-mitantana fa fanapahan-kevitra mandeha ila no hita. Ireny rehetra ireny no tokony hanaovana tombana. Nasiany resaka koa ny momba ny fanendrena ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra momba ny fampihavanana Malagasy na FFM izay lazainy fa mitanila ary tsy rariny.
Momba ny resaka fifidianana ihany dia nohamafisin’ny CT Ravelonanosy Mamitiana fa ny fandriampahalamena sy ny fitoniana ara-politika ihany no antoka hisiana fifidianana mahomby. “Raha tsy tanteraka ireo dia ho sarotra izany”, hoy izy. Eo koa ny tokony hamohana ny haino aman-jery rehetra satria raha ny hita dia misy ihany koa ny fiangarana satria nisy ny radio nosokafana dia ny Free FM, eo koa anefa ny sivana mihatra raha hiditra amin’ireo haino aman-jerim-pirenena izay tsy azon’ny mpanohitra hidirana. Ho an’ny ankolafy Zafy Albert moa dia nambaran’i Fidison fa rehefa tapitra io 18 oktobra io dia “feno ny kapoakan’ny Malagasy”. An’ny Malagasy rahateo ity tany ity, hoy izy fa tsy an’ny Troika na SADC. Miandry toromarika fotsiny izahay, hoy izy fa tsy azo atao kilalao ny Malagasy. Araka izany dia mbola hafana ny raharaham-pirenena ato ho ato.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.