Politique

Aoka izay ny fifanenjehana Miantso firaisankinam-pirenena ny HMF


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Nanao antso ho fiombonam-po amin’ny famongorana ny valanaretina mamely ny firenena ny hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF) tarihin’ny Pastera

 

 

 

Ramamonjisoa Philibert sy Pastera Randriamisata Roger ny 06 Aogositra lasa teo. Antso avo mba hampitsaharana ny resaka fifanenjehana sy fifamaliana ary fanazavana ara-politika manodidina ny famongorana ny valanaretina, izay misy andininy 4 eo: voalohany ny antso ho amin’ny fitiava-namana dia ireto mpiray tanindrazana efa reraky ny tebiteby sy tahotra, aretina, fahoriana, fahantrana sy ny tsy fisiana koa tokony hajanona ny resaka fifanenjehana sy ny fifanomezan-tsiny ary ny fanasasitranana ny vahoaka no iaraha-mibanjina. Miantso fampitsaharana ny fifanenjanana ara-politika izay mainka mampisavorovoro ny saim-bahoaka, ka ho fadiana ny teny na fihetsika mandratra, fampiatoana ny fampiasan-kery amin’ny endriny rehetra tsy hisian’ny ratra-po sy lonilony. Vokatra andrasana ny fiverenan’ny fifampitokisana ato anaty fotoana fohy. Faharoa ny fivondronan’ny rehetra hiara-misalahy amin’ny fisorohana, fitsaboana ary ny fiatrehana ny aretina. Miantso ny Tomponan’andraikitra rehetra, mahatsiaro fa mitantana sy mikarakara vahoaka mba hiroso faran’izay haingana amin’ny Fampivondronana ny rehetra.

FAMPIVONDRONANA NY MPITSABO

Ho lohalaharana amin’izany ny fampivondronana ny mpitsabo rehetra ka izy ireo no hitarika antsika handresy izao « aretina » azo resena izao. Torak’ izany koa ireo “ Mpitarika miahy vahoaka” , toy ny mpitondra fivavahana , ny manam-pahaizana isan-tokony, ny fiaraha-monim-pirenena, ny mpisehatra politika rehetra na eo amin’ny fitondrana na ivelany,… Fahatelo, ilaina ny mamorona ny antsoina “fitsaboana manatona vahoaka” eny amin’ny fokontany , kartie, tanana) koa ireo “MPITSABO” no ho mpitarika ny asa ary ireo “Agent Communautaire” kosa no mpanatanteraka manampy azy ireny . Ny ho enti-manana dia hifandrimbonan’ny fanjakana ( hanome izay azony omena : vola , fitaovana , fanafody , tamby hoan’ny mpitsabo sy AC …sns) sy ny mpisehatra eo amin’ny fahasalamana ( Industrie pharmaceutique , pharmacies , mpanao asa soa isan-karazany…) ary ny olom-pirenena izay afaka manolotra ( fahaizana, vola, fitaovana, fanafody mbola azo ampiasaina any aminy …). Ny andininy faha-4 kosa dia maneho fa vokatra andrasana sy antenaina amin’ireo ambaratonga telo ireo ny “FIRAISANKINAM-PIRENENA” amin’ny fisorohana, fitsaboana ary ny fanasitranana ny firenentsika ny fahaterahan’ny fihetsehana mamoha ny fifanampiana sy ny fifankatiavana, hoy ny hetsiky ny Mpitondra fivavahana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT