Politique

Antsohihy Aro-vava miisa 2000 nozaraina tamin’iroe mpivarotra


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Nitondra vahaolana ho fisorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus ao Antsohihy ka nanome aro-vava miisa 2000 ho an'ny mpivarotra any an-toerana ny depiote, Jao Jean mivady.

 

 

Ny Filohan'ny Tsena no nandray an-tanana ny fizarana isaky ny mpivarotra mba hialana amin'ny fitangoronana sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana izay efa nolazain' i Filoham-pirenena. Nohamafisin'ny Governora nandritra ny fihaonana tamin'ireo mpivarotra ny tokony hanarahana fepetra sy toromarika hiadivana amin'ny Coronavirus toy ny fanajana ny elanelana 1metatra sy ny tsy mahatsara ny fifampikasohana , ny fanasana tanana matetika amin’ny rano sy savony sy ny hafa rehetra. Aro-vava vita tamin'ny lamba izay azo sasana matetika moa ireto natolotra ireto. Miandrandra ahazo ny anjarany ihany koa ny ny vahoakan'Antsohihy amin'ny sehatr'asa hafa, raha ny fampitam-baovao hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT