Politique

Antsiranana Mijanona ho dokambarotra sisa ireo fampanantenan’i Andry Rajoelina


  • Alakamisy 09 Desambra 2010

Ireo takelaby sisa manambara fa nampanantena hanatanteraka an’izatsy na izaroa ao Antsiranana i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, fa raha ny vahoaka no anontaniana an’io dia romotra avy hatrany.

Izao Antsiranana vao tonga saina fa resabe sy kobaka am-bava avokoa ireo kabary feno fampanantenana ny hanatanteraka izao dia izao nataon’ny filoha mpanorina ny TGV teo anoloan’ny Ritz ny sabotsy 11 septambra 2010. Telo volana lasa izay dia nampanantenainy ny vahoakan’Antsiranana fa hanorenana hopitaly manara-penitra eo amin’ny toerana saika hananganan’ny Tiko, Magro tao Tanambao Antsiranana. Ny zavatra misy ankehitriny dia na ireo vato malao efa nitoby teo amin’io toerana io aza nanjavona avokoa. Natao makotrokotroka koa ny filazana fa hatao sentetika ny kianja Mitabe. Mandrak’ity ny anio, na diam-pangady iray aza tsy natao tao. Ny eo tsy manomboka akory dia ny ministry ny fitaterana indray mbola manosoka fa dia ao Andrakaka Antsiranana no hanorenana seranam-piaramanidina lehibe indrindra eto Madagasikara. Asa aloha izay ho tohiny fa raha ny feo re etsy sy eroa amin’ny mponina ao Antsiranana dia ny akoho tsy naneno hoatr’izay efa lanin’ny kary. Resaka fampandriana adrisa no betsaka, nitaomana ny olona hifidy ilay volavolan-dalàmpanorenana ny 17 novambra 2010 iny. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT