Politique

Antsirabe sy Toamasina Adino tanteraka ny Coronavirus


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Samy mafoaka, hoy ny vazivazy zarintenan’ireo mpitazana nahita ny famoriam-bahoaka nitranga tao Antsirabe nandritry ny hetsiky ny antoko politika Tiako i

 

 

 

Madagasikara sy vondrona Panorama nihazo ny Magro Avaratsena sy ny famoriam-bahoaka tao Toamasina nitsena ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara. Toy ny efa nisy tamin’ireo fitetezam-paritra nataon’ny TIM sy vondrona Panorama tany aloha dia mbola nandraman’ny prefektioran’Antsirabe nosakanana koa ny hetsik’izy ireo saingy tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia hipoka dia hipoka ny olona ka hita ho tsy afa-nanoatra ihany ireo mpitandro filaminana niezaka ny nanakana. Nisy an’ity hetsika tao Toamasina izay tsy nosakanana na dia niharihary fa tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana ity rahateo moa ka mba niezaka nisoroka izay tsy hisian’ny adihevitra manahirana angamba ny fitondrana koa dia samy navela niriaria sy nifampikasokasoka teny an-dalambe teny ny vahoaka. Adino tanteraka aloha na izany aza ny Coronavirus ary mbola mampametra-panontaniana hatrany hoe fa angaha moa efa foana eto amintsika ity valanaretina ity? Tsy fahaiza-mitantana sy mifehy toe-draharaha ve sa tena goragora niniana natao ? Raha toa moa ka efa tsy misy atahorana intsony, dia tokony mitsotra ny marina ny fitondram-panjakana ka mba afaka manatanteraka am-pilaminan-tsaina izay zavatra kasainy ny rehetra amin’ny resaka fihaonana sy fivoriana ary fampisehoana fa tsy atao « omeko tsy omeko »  ilay izy.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT