Nafana nanaraka ny toetr’andro ihany koa ny hetsika tao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 13 oktobra teo.
Teo aloha ny fanotronan’ireo manampahefana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nahitana ireo minisitra roa dia Ramalason Olga sy Roland Ravatomanga, notronin’ireo mpikambana maro avy ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ihany koa. Fa anisan’ny tranga nanaitra ny maro ny fihetsik’ireo tanora mivondrona ao amin’ilay fikambanana hetsiky ny tanora fa dia nodoran’izy ireo teo ampahibemaso teo ny sainam-pirenena Frantsay. Araka ny fanazavana nomen’izy ireo dia te hanaporofo ho fantantr’izao tontolo izao izy ireo fa leo sy tsy tia intsony ny politika ratsin’ny Frantsay izay mitady hamerina indray ny fanjanahana ankolaka ny firenena malagasy sy mitady ny fomba rehetra hisakanana ny filoha Ravalomanana tsy hiditra eto Madagasikara tanindrazany.
Nanamafisan’izy ireo ny heviny ny mbola nilazan’ny vondrona OIF ny heviny amin’ny tsy hilatsahan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ho filoham-pirenena. Nambaran’ireto tanora ireto fa i Andry Rajoelina sy ny mpiaradia aminy no tokony hosakanana tsy hilatsaka noho izy nanongam-panjakana fa tsy ny filoha izay naongana teo amin’ny fitondrana. Nahabe resaka ny maro moa ity fihetsika feno fahasahiana nataon’ireo tanora ity ka nahatonga fanehoan-kevitra samihafa indray. Nambaran’ny sasany fa tsy ny Frantsay rehetra no ratsy fa ny mpitondra, kanefa ho azy ireo dia : «rehefa vandana dia kary», avokoa. Mampieritreritra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.