Gaga sy zendana ny Leader Fanilo Antsirabe nahita ny fahazoan-dalana azon’ny Antoko Grad Iloafo nahafahany nanatontosa kongresim-paritra tao an-tampon-tanànan’Antsirabe ny zoma 30 novambra teo.
Anisan’ny fanontaniana napetrak’Atoa Andriamanakieferana Minoarison ny hoe : “hay azo anaovana hetsika ara-politika ihany eto Antsirabe, koa naninona ny Leader Fanilo no nosakanana nefa samy ao anaty efitrano daholo ?”. Nambarany fa tsy ny Grad Iloafo no olana aminy fa ireo milaza ho mpitondra ao Antsirabe manavakavaka sy manao azy ho zanak’Ikalahafa. Nambarany moa fa na nisy sakana aza tao Antsirabe dia tontosa avokoa ny tany amin’ireo Faritra hafa ary efa eo am-panomanana ny kongresy nasionaly hatao eto Antananarivo indray izy ireo.
Raha tsiahivina dia nisy ny fangatahana fahazoan-dalana hanao kongresim-paritra sy ho fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny antoko Leader Fanilo ny alahady 30 septambra 2012 lasa teo saingy nosakanan’ny lehiben’ny Distrikan’Antsirabe voalohany tamin’ny “naoty” ny talata 25 septambra ho fitandroana ny filaminam-bahoaka, hono (?).
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.