Politique

Antoko TIM Nahatafiditra solombavambahoaka 16


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Nahatafiditra solombavambahoaka miisa 16 ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara na ny TIM tamin’iny fifidianana solombavambahoaka iny, araka ny vokatra ofisialy navoakan’ny HCC omaly.

 

 

 Iray avy ho an’ireo Boriborintany 6 eto Antananarivo, ary atambatra ny isan-jato azo, dia tena nanjakan’izy ireo ny renivohitr’i Madagasikara. Depiote iray no azony ho an’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Andramasina, Arivonimamo, Antsirabe I, Antsirabe II, Mandoto, Amparafaravola, Ambatondrazaka,… Tsy any amin’ny resaka isa izany no ho adihevitra ho an’ny TIM eny amin’ny Antenimieram-pirenena fa ny paikady politika. Rehefa tena halalinina rahateo ny tena zava-misy, izy ireo no antoko nahazo depiote be indrindra satria ny IRD dia vovonana politika niarahan’ireo rehetra miara-dia amin’ny fitondrana fa tsy sahy nandeha irery ny antoko manohana fitondrana, toy ny TGV, MMM, Antoko Maitso, Freedom,… Mety handeha ihany koa anefa ny adihevitra sy ny fanambaran-kery amin’ireo tsy miankina, izay tsy maintsy manana vondrana parlemantera.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT