Maro ny tanora tsy an'asa amin'izao fotoana izao ary tsy mahafantatra mihitsy ny tena hoaviny. Mba hialana amin'ny rendrarendra sy fifohana sy fisotroana zava-mahadomelina dia nanao ezaka ny antoko Tiako i Madagasikara
ao Mahajanga miaraka amin'ny “comité ad'hoc” nanao hetsika fahazoana ny taratasy fahazahoan-dalana ahazoana mitondra fiara sy moto A sy B na “permis de conduire” ka tanora 50 isa no andiany voalohany. Efa ao anatin’ny mianatra izy ireo amin'izao fotoana izao. Maharitra iray volana ny fianarana ary misy ny fanadinana "code" sy "conduite" ampanaovina ny mpianatra ary rehefa afaka izy ireo dia omena azy ilay fahazoan-dalana mitondra fiara sy moto io. Velombolo ny tanora ary fisaorana no natolotr’izy ireo ny filoham-pirenena teo aloha sady filohan’ny antoko politika TIM, Marc Ravalomanana, nanao ny hetsika ary manantena ihany koa izy ireo fa ahazo asa any aorian’ny fianarana. Rehefa vita moa ny fianaran'ity andiany voalohany ity dia hiditra amin’ny andiany manaraka ihany koa ny antoko. Ankoatry ny fianarana etsy ambony io dia hisy koa atsy ho atsy ny fianarana miteny vahiny sy fianarana mahandro sy mofo mamy ho an'ny vehivavy, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.