Politique

Antoko TIM Efa miomana ny amin’ny 2023…


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Mandeha tsikelikely ny fanomezana aina vao ny antoko ary misy zavatra tsy maintsy hovaina.

 

 

 Tsy vitan’ny fanoloana olona fotsiny fa tsy maintsy jerena daholo ireo tsy mety izay mila fanarenana ary mitaky ihany koa fiovana eo amin’ny fomba fanao na fomba fihetsiky ny tsirairay na “changement de comportement”, hoy i Marc Ravalomanana. Nohamafisiny fa antoko “démocrate-chrétien” ny TIM nanomboka 2 janoary 2002 niforonany. Tsy manavakavaka, manaiky ny maro an'isa, fa mihaino ny vitsy an'isa ihany koa, ka izay ilay hoe: demokrasia, raha ny nambarany. Niaiky ny lesoka ny TIM toy ny fandatsahana olona avy any ambony (parachutage), nisy ny fisaraham-bazana,…  Maro tamin'ny TIM tsy nifidy, niraviravy tànana, leo fa manaiky resy foana, toy ny tamin’ny fifidianana filoha sy ben’ny tanàna, izay efa nodinihina izany, hoy ny mpitarika.  Miantso ireo olony taloha izay mety nirotsaka tsy tamin’ny anaran’ny antoko satria mety sedra ho azy ireny, ary naneho fa misokatra ho an’ny olom-baovao ny varavarana.  Ny tanjona voalohan'ny antoko dia maka fahefana hanasoavana vahoaka, ka raha tsy azontsika omaly azontsika rahampitso, hoy ny mpitarika, izay naneho fa efa fiomanana amin’ny 2023, izay hiatrehana ny fifidianana filohan’ny repoblika izao ataony izao.  Ao anatin’ny fametrahana sy fanavaozana ny rafitra ny antoko, dia hentitra i Marc Ravalomanana niteny ireo mpanara-dia, fa mila manaja ny demokrasia ao anaty antoko fa tsy mitarika olona any anaty antoko hafa rehefa tsy afa-po. Tsy maty ary tsy ho faty mandrakizay ny antoko TIM. Mbola maro ny mpanara-dia. Nopotehina niaraka tamin'ny firenena ny TIM nanomboka ny 2009, saingy tsy maty, fa ny firenena kosa lasa faha-4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany, hoy i Rina Randriamasinoro sekretera Jeneralin’ny antoko. Nambarany fa tsy mbola nisy naharesy TIM izany, raha resaka antoko. Natsangana izao vovonana rehetra izao hakana fahefana fotsiny fa ny TIM no sahy nandeha tamin’ny anaran’ny antoko, hoy izy. Tsy resy fa noresena, toy ny tamin’ny fifidianana teto Antananarivo, raha ny nambarany. Niantso fanatsaharana ny hambom-po ity sekretera jeneralin’ny TIM ity. Andao hiray hina, fa tsy misy maharesy antsika raha resaka antoko, raha tena miray hina isika, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT