Politique

Antoko TIM “Efa Fanjakana terôrista ny eto…”


  • Talata 16 Aogositra 2022

Taorian’ny diany tany Antsiranana, ka nanakana azy tsy ho afaka hihaona sy hanao hetsika na kabary politika tamin’ireo mpikatroka TIM,

nigadona tany Mahajanga indray ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny tolakandron’ny zoma teo. Nisy rahateo ny lanonam-pankalazana ny faha-20 taonan’ny TIM nokasaina hatao tao Mahajanga nanomboka ny sabotsy 13 aogositra, tamin’ny alalan’ny fampiratiana ny tantara antoko, tahaka ny natao teto Antananarivo. Vao maraina anefa, norakofan’ny Fanjakana mpitandro filaminana avy hatrany ny manodidina ny Magro ny sabotsy teo, izay voafaritra fa hanaovana ny hetsika. Tsy afaka niditra ireo solombavambahoaka TIM sy birao politika efa nisy ny olona hafa. Nangataka taratasy fahazoana alalana hiditra ao anatin’ny faritra. “Tompon-draharaha ao avokoa ny TIM, raharahan’antoko, “disposition” an’ny antoko, kanefa ny sektera jeneralin’ny TIM no tsy avelanao, ny kestora fahatelon’ny Antenimieram-pirenena”, hoy ny avy amin’ny Antoko TIM. Nanome toromarika ny mpomba azy ny TIM omaly 15 aogositra nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro, fa io no fotoana hihaonana amin’ny vahoaka, hifampiresahana, hifanomezana toromarika politika,… Nanao fampahafantarana tamin’ny Prefektioran’I Mahajanga, saingy tsy nahazo valiny. Andraikitra faritan’ny Lalàmpanorenana ny “animation de la vie politique”, kanefa izao no mitranga. “Hisy ny fandraisana fanapahan-kevitra eo anivon’ny antoko ; Inona no tsy hanaovan’ny Fanjakana didim-panjakana maneho fa tsy azo atao intsony ny fameloman’aina ny fiainana politika”, hoy ny Mpandrindra Nasionalin’ny TIM Atoa Jean Claude Rakotonirina.

NIFANARANA TEO AN’ARABE NY FANKALAZANA
Nifarana teo an’arabe anefa ny famaranana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Antoko TIM omaly fa tsy tafiditra tao amin’ny Magro. Nodidinin’ny mpitandro filaminana ity toerana, ka nipetraka teo anoloan’ireo ny mpitarika sy ireo vahoaka izay nanao diabee am-pilaminana nihazo io toerana io. Nanambara ny mpitarika fa hitohy ny fanamarihana manerana ny Nosy. Misokatra foana ny ao amin’ny Magro izay misy ny fampiratiana manomboka rahampitso, ary tsy mino isika fa hijanona eo foana ny mpampihorohoro, fa izay iray reraka, hoy ny Depiote Mamy Rabenirina, izay nilaza fa Fanjakana mpampihorohoro na “Etat Terroriste” ny eto. Tsy ny tsy fahafahana niditra tao no hanajanonana an’io, fa mandavan-taona ny fankalazana, miomana ny any amin’ny faritra hafa, mitohy ny ao Mahanjanga, hoy io depiote io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT