Politique

Antoko Tiako i Madagasikara Velona ary mihetsiketsika fatratra tao ho ao


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Ankoatra ny fiatrehan’ny solontenan’izy ireo, tarihan’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Mamy Rakotoarivelo, ny dinika miaraka amin’ireo antoko politika isan-tsokajiny eny Ambohimanambola dia tsy mipetra-potsiny ireo tompon’andraikitra hafa ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara tsy miala amin’ny fanohanana ny Filoha Marc Ravalomanana.

Miketrika mafy ny hetsika goavana fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona 2011 hotanterahina eny Ambatomirahavavy amin’ny sabotsy 15 janoary izao ry zareo ao amin’ny foiben-toerany ao Bel’Air. Hetsika hatao hanehoan-kery amin’ny fahavitrihan’ny antoko ankehitriny izy io. Mikasika ny toerana etsy Bel’Air dia tazana fa nasiam-panatsarana tanteraka. “Mbola hoentina manaporofo amin’ny rehetra izany fa velona ary miasa tsara ny antokonay”, hoy ny Mamitiana Fabergé Gabriel, Depiote voafidy tao Bekily, mpitondra tenin’ny antoko tazana teny an-toerana. Naranty ho talaky maso ety ivelan’ny arabe koa ny sainan’ny antoko roa be izao. Mbola ventisin’ireo mpivory ao isan’andro koa ny hira faneva misy ny andalana malaza hoe “Ravalomanana no hitondra antsika…”, ka “asa”, hoy ity tompon’andraikitra ity, “hoe : saina inona sy faneva inona (misy ny anaran-dRaharinaivo) ve no asehon’ireo nisintaka tamin’ny antoko ka lasa nanohana ny fitondrana FAT tarihan-dRajoelina ?”.

Fa aorian’Ambatomirahavavy dia mbola hiitatra hatrany Arivonimamo ny hetsika ataon’ny Tiako i Madagasikara. Nambaran’ny Solombavambahoaka TIM tao amin’io Distrika io, Atoa Rakotomanjato Rodin, fa toy ny fanao isan-taona dia hifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao ao amin’ny Farihin’Antaboaka ny Tiako i Madagasikara tarihan’ny an-toerana ny 29 janoary izao, miaraka amin’ireo rehetra nasaina manerana ny Nosy. “Karazana fitsangantsanganana no hatao amin’izany”, hoy izy, “satria hisy ny mpanakanto maro hanafana ny hetsika ankoatra ny fiaraha-misakafo ho solon’ny jaka hifanomezana”. 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT