Tontosa ny sabotsy 03 jolay 2021 teo ny fanampiana sy tolon-tanana nataon'ny antoko Tia Tanindrazana tamin'ny fikambanana iray izay misehatra amin'ny fampiofanana
ara-teknolojia sy fampianarana ny ankizy ao an-tananan'i Miarinarivo. Marihana fa ity Fikambanana ity dia tarihin'olona manan-kilema izay tsy manaiky ho resy fa miezaka hatrany ny hiotra sy handeha lavitra amin ny fiainana. Mitory sy mivoy fomba fijery ary samy mifantoka amin'ny fanabeazana sy ny fikirakirana ny teknolojia vaovao no ampitaina. Izany indrindra no nanosika ny antoko Tia Tanindrazana hanampy io fikambanana io satria tena mamporisika ny olona hiotra amin'ny fiainana ny toe-tsaina sy ny zavatra asehony. Tonga nanolotra ny fanampiana izay fampitaovana entina hampiroboroboana ny fampianarana ao aminy ny antoko izay notarihin'ny Sekretera Jeneraliny Atoa Schall Ramanantsoa ; ary nirary soa ho an'ny fikambanana mba hamokatra sy hitondra soa ho an'ny mpiara-belona, indrindra ireo tanora ao an-tanana. Efa an'arivony mahery ny ankizy nivoaka sy nokolokolina tao amin'ny fikambanana ary ahitana zavatra maro toy ny fianarana informatika, kabary, ny fanatanjahantena ao aminy. Finiavana sy fikirizana ary ny fijerena ny tanjona no banjinina raha te ho tafita, ary ao anaty faharetana avokoa anefa izany, hoy ny Antoko. Nirary ny fikambana Althere Service info sy ny Anoka ho tonga amin'ny lavitra indrindra ary ho loharanom-pahasoavana ho an'ny mpiara-belona ny antoko Tia Tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.