Politique

Antoko TGV Iza marina no mitarika azy ?


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Fa inona marina no tena mitranga ao amin’ny TGV ao ? Izay indray izao no manintona ny sain’ny mpanara-baovao taorian’ny nahitana fa i Hery Rasoamaromaka mpandrindra ny TGV Analamanga no misolo tena ity fikambanana politika noforonin’i Andry Rajoelina ity amin’ireo dinika politika rehetra misy etsy sy eroa fa tsy hita tabilao Rtoa Lanto Rakotomavo, filoha nasionaly.

Ity farany rahateo dia efa hatramin’ny ela no kianin’ny maro na ao anatin’ny antoko tantaniny na olona ivelany fa tsy mbola mahafehy tsara ny resaka politika, ary tsy tokony hitarika antoko lehibe mihitsy, kanefa izy moa no natokisan’i Andry Rajoelina tany am-boalohany dia izy aloha no eo hatramin’izao. Tsikaritry ny maro hatrany amin’ny Dinika Santatra, ny fihaonana politika sy ny fihaonambem-pirenena teny Ivato fa matotra kokoa amin’ny fanehoan-kevitra sy fanohanan-kevitra i Hery Rasoamaromaka raha oharina amin’i Lanto Rakotomavo. Hita, araka izany, na dia tsy mivaky aza izy reo fa misy karazana fifaninanana kely ihany eo amin’izy samy mpitarika ny antoko TGV.

Samy manana ny mpanohana sy ny mpomba azy tsirairay ihany koa moa izy mianadahy ireto ao anatin’ity antoko ity koa mandeha ny fampirisihana isan-karazany. Amin’ny tranga tahaka izao ihany koa dia tsy misy ny kisendrasendra fa azo antoka fa efa toromarika avy any amin’ny lehibe ny hoe : izao sy izao no atao, koa raha vao misy ny fihaonana eo amin’ireo ankolafy politika maro samihafa, dia ny mpandrindra ny faritra Analamanga avy hatrany no tazana etsy sy eroa misolotena ny TGV ary manohana ihany koa ny hevitry ny ankolafy Rajoelina. Etsy ankilan’izay anefa mialoha izao fifampidinihana izao dia fantatra fa efa nihaona tamin’ireo mpanao politika avy amin’ny ankolafy hafa Rtoa Lanto Rakotomavo.

Midika izany fa samy manezaka izy roa tonta ireo, ary mety samy mahazo toromarika avy any amin’i andry Rajoelina ihany koa. Araka ny fomba fiteny anefa dia ny erikerika mahatondra-drano koa raha tsy voalamina haingana ny fiadiana ho lohany eo amin’izy manadahy ireto, ary raha tsy mirindra tsara ny fizarana andraikitra dia mety ho ratsy ho an’ny TGV sy Andry Rajoelina any aoriana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT