Antoko TGV

> Vao niatrika fifidianana dia tsy hita tabilao


  • Sabotsy 08 Febroary 2014

Nanana ny naha izy ary azo ambara fa tena nanjakazaka tokoa teo amin’ny fiainam-pirenena malagasy ny antokon’ny mpitondra fanjakana izay nifandimby nitantana an’i Madagasikara taorian’ny fiverenan’ny fahaleovantenantsika ny taona 1960.

Nandritra ny 12 taona naninjitra nitsanganan’ny Repoblika voalohany ny taona 1960 hatramin’ny 1972, ohatra, dia nisongadina ny antoko naorin’ny filoham-pirenena Philibert Tsiranana dia ny «Parti Social Démocrate» na ny PSD. Taorian’ny firodanan’ny Repoblika voalohany dia nihena niaraka tamin’izay ihany koa ny herin’ity antoko natanjaka eran’i Madagasikara ity. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana indray ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier nandritra ny Repoblika faharoa dia nanangana ny Antokon’ny Revolisiona Malagasy na Arema izay nanamarika tokoa ny fiainam-pirenena teto Madagasikara ny fisiany nandritra ny 16 taona tsy an-kiato. Teo ihany koa ny antoko UNDD notarihan’ny profesora Zafy Albert rehefa lasa filoham-pirenena izy ny taona 1993. Torak’izany ihany koa ny antoko Tiako Iarivo najoroan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Ravalomanana Marc izay niofo Tiako i Madagasikara rehefa lasa filoham-pirenena izy ny taona 2002.

Nampitovy sy nampatanjaka ireo antokon’ny filoham-pirenena nifandimby ireo ny nananan’izy ireo sampana teny ifotony izay tsy nahagaga loatra satria azo ambara fa samy mamim-bahoaka tokoa ireto mpitarika ireto tamin’ny fotoana nanomezan’ny vahoaka malagasy azy ireo ny fitokisany. Tsy toy izany kosa anefa ny fikambanana Tanora malaGasy Vanona niforona tamin’ny taona 2007 rehefa nahazo ny fahefana tamin’ny fampiasan-kery niainga teny an-dalambe ny mpitarika ny revolisiona volomboasary Andry Rajoelina ny taona 2009. Vao niatrika fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny 2013 mantsy dia tsy hita tabilao araka ny fomba fitenin’ny tanora fa difotra avy hatrany. Tsy nahasokon-joro fa nialokaloka tao amin’ny MAPAR. Asa izay havoakany amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ity taona 2014 ity. Milaza rahateo ny mbola hiverina eo amin’ny sehatra politika amin’ny taona 2018 moa ny filoham-boninahiny ka ny ho avy no hanambara azy.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT