Politique

Antoko Teza “Tsy ahita vahaolana io fitondrana io”


  • Alakamisy 08 Jolay 2021

Maina izao ny faritra atsimo vokatry ny toetr’andro eto amintsika, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.



Isan-taona any misy kere foana fa nitombo be fotsiny izy tamin’ity, hoy izy. Tokony efa nanana praograma mialoha hiatrehana izany raha hitondra firenena. Mety hiitatra manerana an’I Madagasikara iray manontolo aza ny kere amin’ny herintaona noho io toetr’andro io. Miankina amin’izay tsinona ny fambolena sy fiompiana. Eo ny sehatra iraisampirenena hanampy fa ny fomba hiadianao amin’ilay izy tsy resaka fanaovana kianja manarapenitra intsony na fividianana fitaovam-piadiana hanaovana matso fa zavatra ilain’ny any ifotony mihitsy no tokony jerena sy amahana ny olana. Raha io fitondrana ankehitriny io tsy ahita vahaolana amin’izany mihitsy, hoy ny Teza. Miakatra ny krizy izao etsy ankilan’izay satria efa 70 dolara any ny barilin-tsolika. Nidina be nefa teo raha ny tokony ho izy. Nisy bolongam-bola tao 40 dolara ny barila tamin’iny aretina teo iny. Notazomina nefa ny vidin-tsolika teto, izany hoe, misy tombony 30 dolara isaky ny barila eo azon’ny fitondrana. Aiza ny vola io? Tokony nanaovana fanadihadiana parlemantera fa tsy hita any amin’ny lalana mifehy ny tetibola hoe nisy vola izao azo avy any amin’ny solika. Ireny no tokony hanetsemana hanaovana famatsiana na “subvention” amin’ny fiakaran’ny solika satria tsy maintsy hiakatra io. Devizy dolara no ividianana an’io, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT