Nandefa taratasy misokatra ho an’ny fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara na FFKM omaly alarobia 1 mey ny avy eo anivon’ny antoko politika Teza.
Manoloana ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny, hoy ity antso ity, dia itodiho ny lasa hatramin’ny 1991 nanaovanareo antso lehibe hoe ento miakatra ity firenena ity. Nisy ny fikaonan-doha samihafa toy ny teny amin’ny CCI Ivato ny aprily 2013 izay nidradradradrana ny 4F na fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana ary nijerena ny tsy hiverenan’ny krizy intsony. Notohizan’ny Katolika izay nahatonga ny K3F. Hatreto anefa, hoy ny Teza, dia tsy marim-pototra ny firenena fa miorina ambony fasika. Na ireo izay nanao samirery io lalàmpanorenana io aza amin’izao fotoana miaiky fa tsy mety ny nataony ka te hanova sahady. Miangavy ny FFKM, araka izany, ny Teza mba hanatanteraka ilay hoe ny fahamarinana no manandratra firenena. Mitaintaina ny tantsaha ankehitriny fa hidina ny vidim-bariny noho io resaka vary mora mamono ny tolotra sy tinady io, hoy ny filohan’ny antoko, Jean Louis Rakotoamboa. 600 ariary ny kilaon’ny akotry any Bongolava kanefa isan-taona efa mba 800 ariary. Sao dia mba famotsiam-bolam-panjakana satria iza no mpandraharaha sahy mivarotra mamono antoka toy izany, hoy ny Teza ? Vidin’ny vary eo amin’ny tsena iraisampirenena miakatra. Miisa 4 hatreto ny fahotana mahafatin-dRajoelina dia ny fanonganam-panjakana, izay nomarihin’ny filoha Didier Ratsiraka fa tao ambadikany ny filoha frantsay teo aloha, Sarkozy. Faharoa, tamin’ny androny no nirongatra ny aferana andramena ary io dia mampametra-panontaniana hoe inona marina no tena nataony tany Katara tamin’ireny fotoana ireny ? Fahatelo, dia izy no nilaza tamin’izany fotoana fa Hery Rajaonarimampianina no filoha mendrika ny Malagasy ary nandany 43 tapitrisa dolara hampandaniana azy kanefa taty aoriana dia nody nifona fa hoe nanolo-bato mafana. Tsy kilalao ny raharaham-pirenena. Ny fahefatra moa dia io lalàmpanorenana io ka asa izy na hifona amin’io koa hoe kitoatoa. Izany no endrik’i Andry Rajoelina, hoy ny filohan’ny Teza, ka raha izahay aloha dia tsy manantena zava-dehibe loatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.