Politique

Antoko Teza Hanao fanambarana lehibe amin’ny zoma


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Ho ambohipihaonan’ireo mpandridram-paritry ny antoko sy ny birao nasionalin’ny antoko Teza eny Vontovorona amin’ny zoma io

 Hotanterahina eny an-toerana, ao amin’ny Les Hérons, mantsy ny filankevitra nasionalin’ny antoko, hamolavola sy handrafitra ireo zavatra hankana fankatoavana sy handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny kongresy nasionaly hatao amin’ny taona 2013 iny. Hisy ny tatitra sy fihainoana ireo solontena avy any amin’ny faritra, hisy koa ny fanofanana ireo tompon’andraikitra isam-paritra izay vory eto amin’io, hanomezana toromarika, araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny antoko sady mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Rakotoamboa Jean Louis. Nambaran’ity farany fa dia hisy ny fanambarana hataon’ny Teza, mikasika ny raharaham-pirenena, amin’io zoma 30 novambra io, izay handrosoany vahaloana hivoahana amin’izao krizy izao.

Ny 29 martsa 1996, no niforona ny antoko Teza. Manana ben’ny tanàna 20 eo, mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita roa, mpikambana amin’ny Kongresy iray ary minisitra iray, Randriamandrato Ihanta (fiompiana), amin’izao tetezamita izao.

Britto 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT