Politique

Antoko sy vondron’antokon’ny filoha Ovaovaina isaky ny misy fifidianana


  • Talata 18 Jona 2019

Tsy manao hoe IRD intsony ny fampahalalam-baovao sasany miaraka amin’i Andry Rajoelina fa hoe IRMAR mantsy ireo depiote lany vonjimaika ho depiote araka ny valim-pifidianana navoakan’ny CENI.

 

 

Sao dia efa fanasana atidoha amin’ilay hoe Rtoa Irmah Naharimamy no mety ho filohan’ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ? Voamarika  ihany koa fa miovaova isaky ny mihetsika ny anarana hoentina saika isaky ny fifidianana fa tsy mahatombin-tsiraka ary tsy mahatoky valera. Tsy maintsy mitady hirika, ary tena tsy fahamatorana ara-politika. Ny TGV no nahalany an-dRajoelina ho filoham-pirenena, saingy tsy sahy nitondra ny anaran’io antoko io izy ireo fa namorona ny vovonana IRD izany hoe naman’ny maty sy tsy misy lanjany ara-politika ireo antoko. Na ny vovonana aza, dia niainga tamin’ny MAPAR, IRD, IRMAR,… ary asa atsy ho atsy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna mety hivadika zavatra hafa mihitsy. Vonoina hatrany ny anarana mba tsy hahatsiarovan’ny maro ny fahadisoana ara-politika nanome endrika ratsy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT