Ny fanombohana ny fanovana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika RCR na famondronana ny olompirenena tomponandraikitra, tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison,
dia mitady solombavambahoaka hametraka ny lalàna atao hoe teti-bolam-paritra, iarahana mamaritra amin’ny fivorian’ny parlemanta hoavy izao dia takiana ny hampakarana ny vola tantanan'ny faritra ho 50 miliara ariary isanisany. Tsy ekena intsony ny fivangongoan'ny fintantanana. Raha misy solombavambahoaka vonona hitondra ny fanolorana io lalàna io dia afaka miantso ny RCR amin’ny handinihina ny pitsopitsony. Manomboka eto no ahitana raha misy mpisolovava tokoa ny any amin’ny faritra rehetra, hoy hatrany ny RCR.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.