Politique

Antoko PSD «Tsy tokony hafangaro ny politika sy fitaizana tanora»


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Nitohy ny sabotsy 17 oktobra teo ny hetsiky ny 14 oktobra nataon'ny antoko PSD tao Mandritsara ka niroso tamin'ny fanolorana baolina filalaovana matihanina miisa 20 ny sekolin'ny baolina kitra ''Androna formation''

 

ao an-tampon-tanànan'i Mandritsara izay manofana ireo tanora ao an-toerana ny antoko. Nasongadin'ny sekretera nasionalin'ny antoko, Eliana Bezaza, fa tsy tokony hafangaro ny fanilikilihana politika sy ny fitaizana tanora tokony iaraha-mitaiza. Ny alahady dia nanatrika fanompoam-pivavahana tao amin'ny fiangonana katolika Masimbavy Thérèse noho ny nitsingerenan'ny faha 110 taona nahaterahan'ny filoha Tsiranana izay teraka ny 18 oktobra 1910 ka nivavahana ny mba hiadanan’ny firenena Malagasy sy haha finaritra azy.. Nifarana ny alatsinainy teo tamin’ny alalan’ny tatitra natao tamin’ny mpanao gazety moa izay fahatsiarovana ny 14 oktobra miaraka amin'ny PSD tao Mandritsara izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT