Politique

Antoko PSD Nahatsiaro ny faha 44 taona nahalasanan’ny filoha Tsiranana


  • Talata 19 Aprily 2022

Feno 44 taona ny 16 aprily teo (1978-2022) no nahalasanan’ny filoham-pirenen’ny repoblika voalohany teto Madagasikara, Philibert Tsiranana.

Tsy dia misy mitovy amin’ny nieritreretan’ity tompon’ny politikan’ny kibo ity ho an’ny vahoaka Malagasy intsony ny zava-misy amin’izao, hoy ny antoko politika PSD, fa efa niova. Efa fifandrafesana no manjaka na dia nampihatra sy nampianatra fihavanana tamin’ireo antoko hafa tsy nitovy hevitra taminy toy ny MDRM sy ny AKFM ary mpitarika politika maro aza ity filoham-pirenena teo aloha ity. Na ny sakafo ho hanin’ny Malagasy maraina aza ijaliany ankehitriny ary efa nataona Malagasy maro veloma izany fisitrahana lalana tsara, dokotera sy fanafody maimaim-poana, ny vatsim-pianarana ankanesana any an-dafy ho an’ny mahay, ny fahafaha-mividy tany sy manorin-trano ary mividy fiara sy ny maro, hoy hatrany ny PSD.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT