Tsy azo odian-tsy hita ny fahadisoana goavana tamin’ny fiverimberenan’ny laharana kara-panondro, araka ny tatitra nataon’ny
CENI farany teo, hoy ny antoko Parti Social Democrate (PSD) izay nivory tany Mahajanga omaly alatsinainy 2 martsa, satria tena manohitra ny zo fototra iorenan’ny demokrasia. Tsy azo antoka noho io tsy fahatomombanana io ny vokatry ny safidim-bahoaka marina tamin’ireo fifidianana nisesisesy teto amin’ny firenena, dia ny fifidianana filoham-pirenena, solombavambahoaka ary ben’ny tanàna hoy ity antoko ity. Tsy mahagaga raha nihoapampana ny fitarainana tamin’ireny fifidianana ireny. Mihevitra ny antoko PSD fa mety hiteraka tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana ny fanamarinana fa tsy nanara-dalàna ny fifidianana natao teto ary ahiana hipaka hatrany amin’ny lolom-po arahana tsy fifankahazoana eo amin’ny samy Malagasy izany izay sanatriavina mety ho lasa ady. Mandroso soso-kevitra ny PSD mba hisorohana ny zava-doza mety hitranga eto amin’ny firenena. Voalohany, miantso ireo rehetra voakasiky ny fifidianana mba hihaona sy hifandinika, tafiditra ao anatin’izany ny antoko politika, ireo kandida nilatsaka hofidiana, ny olobe sy raiamandreny isan-tsokajiny, ny CFM, ireo raiamandreny ara-drazana sy ara-pinoana, ireo fiarahamonim-pirenena satria ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Faharoa, manainga ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) mba handray ny andraikiny manoloana izao zava-baovao (fait nouveau) mitranga izao ny PSD amin’ny fanafoanana ireo fifidianana isan-tsokajiny eto amin’ny tany sy ny fanjakana satria tsy manan-kery ireo fifidianana natao nanomboka tamin’ny 2018 ka hatramin’izao. Fahatelo, manainga ny antenimierandoholona sy ny antenimieram-pirenena mba hanadihady izay tompon’andraikitra nahavanona izao tsy fetezana izao ary hitory azy ireo eny amin’ny fitsarana ambony (Haute Cour de Justice).
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.