Politique

Antoko politika VAMI “Mahalala ny atao hoe fitohizan’asa ny olona”


  • Alakamisy 12 Mey 2022

Kobaka am-bava hatreto no hita ataon’ny mpitondra ankehitriny mba tsy hilazana hoe mandainga, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Vahoaka Miray na VAMI, Gaby Vakiniadiana.

Mitanisa izy ireo zavatra lazainy fa vitany nefa fantatry ny olona tsara fa fitohizan’asa na “continuité de l’Etat” no misy, hoy izy. Mandeha indray amin’izao fotoana izao ny fametrahana vato fisantarana amin’izay rehetra aleha. Nisy ny fampanantenana natao hatramin’izay saingy raha mbola tsy tanteraka ireny dia avaozina amin’ny fametrahana vato fisantarana asa isan-karazany indray ve? Aoka izay ny famitapitahana vahoaka! 50 taona izay ny tolon’ny 1972. Tsy ny mpanohitra intsony no hitondra vahoaka ho vonoina eny an-dalambe. Izay no maha mpanohitra misaina ny mpanohitra amin’izao fotoana izao saingy raha ny vahoaka moa no hitarika hoe andao ho eny dia manaraka izahay. Ampatsiahivinay fa tsy an’ny mpitondra irery fa an’ny vahoaka iraimanontolo ny firenena, hoy hatrany ny VAMI.
J. Mirija
Legende: Gaby Vakiniadiana
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT