Politique

Antoko politika TGV Tsy sahy mandeha irery intsony


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Isan’ny mampametra-panontaniana ankehitriny ny tsy nahenoana loatra intsony izany antoko politika Tanora Malagasy vonona na TGV izany, indrindra, tamin’ny fandraisana anjara tamin’ireo fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena.

 

 

 Ho avy io izao ny fifidianana loholona dia saika mirotsaka amin’ny anaran’ny vovonana IRD avokoa ireo heverina ho kandidam-panjakana rehetra. Tsy mahavita mandeha irery intsony ve ity antoko noforonin’ny filoham-pirenena ankehitriny ity taorian’ny fifidianana ben’ny tanana ny taona 2007? Henjehina mafy sy ataon’ireo mpanaradia ny filoha ho resy lava ny antoko politika Tiako I Madagasikara, izay tarihin’ny mpifanandrina mivantana aminy dia ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, kanefa raha misy aloha hatreto ny antoko politika mbola velona na teo aza ireo heverina fahareseny tao anatin’ireo fifidianana nifanesy dia ity antoko ity. Ny antokon’ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina na ny HVM izao dia ho baraingo ny tohin’ny tantarany rehefa mifarana ny taom-piasan’ireo loholona, ohatra. Nanao ahoana ihany koa, ohatra, ny toeran’izany antoko Arema izany taorian’ny 2002? Toy izany koa ny UNDD izay natsangan’ny filoha teo aloha, Zafy Albert? Na izany na tsy izany anefa dia mbola mijoro amin’ny maha antoko noforonin’ireo filoha mpanorina azy avy ireny rehetra ireny saingy aiza ho aiza kosa ny fipetraky ny etika sy deontolojia politika amin’ity tsy fahafantaran’ny maro intsony ny fihavahan’ny TGV sy Mapar ary IRD ity ?

J. Mirija

Legende: Nalaza anefa izany Andry TGV izany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT