Araky ny lalampanorenana, ny governemanta sy ny parlemantera, ny fifandraisany, indrindra, ny fanaovana lalana, dia ny parlemantera manara-maso ny mpanatanteraka, hoy ny antoko politika Teza.
Endrika voalohany isehoan’izany, hoy ny filohan’ity antoko ity, ny Dr Jean Louis Rakotoamboa, ny hoe raha mandany lalana mifehy ny tetibola ny eo anivon’ny parlemantera dia manatanteraka ny fampiasana iny vola iny ny governemanta. Afaka 3 na 4 na 5 taona dia mandeha ny antsoina hoe “loi de règlement” hoe manao tatitra ny governemanta hoe izao no nandanianay ilay vola dia lanian’ny antenimieram-pirenena. Ny endriny faharoa dia ny hoe fihaonana in-dray mandeha isam-bolana ataon’ny parlemantera amin’ny governemanta. Io hitantsika io izy. Ireo ihany ny ve no mba endrika hisehoan’ny atao hoe fanaraha-mason’ny parlemantera amin’ny governemanta? Maivana be! Raha nijery ireny fihaonan’ny governemanta sy ny parlemantera ireny dia firaisana tsikombakomba na hoe “complaisance” no betsaka satria ny ankamaroany dia hoe ataovy ny lalana any aminay fa raha tsy izany tsy lanim-bahoaka. Misy manao fanakianana fa mijanona ho fanakianana. Ny fanadihadiana parlemantera matetika tsy misy vokany. Mba nanao izao tamin’ny andron’I Rajaonarimampianina ireo loholona mikasika ireny basy nahiditr’ingahy Andry Rajoelina teto ireny dia tsy nisy tohiny ilay izy na “classé sans suite”. Raha ny tokony izy tokony natao ny fanadihadiana, natao ny fitsarana, tokony higadra ingahy Andry Rajoelina nampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko teto. Raha amin’io rafitra misy amin’izao io fotsiny dia tsy mahomby ny atao hoe fanadihadiana parlemantera. Ny heritreretinay dia izao. manatanteraka ny praogramany ny governemanta, araka ny programa nasehon’ny filoham-pirenena mandritry ny propagandy dia mampiasa ny rafitra mpanara-maso sy ny fitsirihina ankapobeny ny fitondram-panjakana na IGE izy hanatanterahana araka ny tokony ho izy ireny praogramany ireny. Ny parlemantera dia tokony afaka mampiasa ary tokony tohanan’ny IGE sy ny mpanara-maso ny raharaham-panjakana ankapobeny manara-maso ny fanatanterahana ny zavatra rehetra eto amin’ny firenena. Mandritry ny fivoriana ara-potoan’ny parlemantera dia miasa manao lalana ny parlemantera. Ankoatran’izay dia manao fanadihadiana parlemantera ampian’ilay rafitra voalaza teo. Avoaka eo anatrehan’ny mpanatanteraka amin’izay fotoana izay hoe ireto ny zavatra tsy mety ary ampiarahana amina tarehimarika fanohanana azy. dia tsaraina izay nanao adisoana rehetra teo amin’ny fitantana ny firenena, hoy hatrany ny Teza, ary mila fanovana lalampanorenana sy fanorenana ny repoblika eto Madagasikara mihitsy izany aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.