Politique

Antoko politika Teza “Miady an-trano ny fitondrana mafia”


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Ny vinan’ingahy Rajoelina ny hoe : “Initiative pour l’émergence de Madagascar” dia tsy inona akory fa “Initiative pour l’émergence des mafieux”,

 hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Teza. Izay no miseho amin’ny andriny maro samihafa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’izy ireo, ny Dr Jean Louis Rakotoamboa. Ny fitondrana mafia amin’ny maha mafia azy dia io itantsika io izy miady an-trano, mikorontana ambony ambany satria ny ankamaroany dia tontakely daholo. Mangalatra, manao risoriso, mambabo ny fananan’olona sy ny sahala amin’izay. Tsy misy firaharahiana izany tombontsoam-pirenena izany mihitsy. Eo amin’ny lafiny vidim-piaianana, ohatra, dia misy izany daholo manerana izao tontolo izao fa voafehiny ny an’olona. Ny antsika eto aza manantena fa ho voafehin’ingahy Andry Rajoelina izany vidim-piainana izany satria eo amin’ny 90%n’ny fiharian-karentsika eto dia gejain’ny frantsay sy indo-pakistanais manana zom-pirenena frantsay. Tsy sahy manara-maso an’ireo minisitry ny varotra sy ny fanjifana. Raha jerena ny lafiny fandriampahalemana dia ahoana moa no isian’izany eto nefa izy mpitondra aza tsy mandry fahalemana fa mikorontan-dava ambony ambany? Tsy azo antenaina izany raha fitondrana mikorontana sy manakorontana toy io no misy eto.
FITSABOANA TSIZARIZARY, HAMPISEHOANA HADEDAHANA NY LOZA
Marina fa misy ny valanaretina io izay hitantsika koa ny zava-mamoha henatra tao anatiny amin’ny fanodinkodinana ny fitaovana iadiana amin’izany ka mahatonga ny olona mikaikaika. Tsy aman’alina fa andeha atao hoe amin’arivo no tratry ny tranga manahirana. Inona no tsy hahazakan’ny fanjakana ny fiantohana ny fitsaboana azy ireo maimaipoana? Mampalahelo ny eny amin’ny hopitaly fa ny fanampiana mba ataon’ny fanjakana dia vidina “compress”, alkaola, resaka madinidinika kely fa ilay olona marary tratran’ny tranga manahirana no miantoka ny rehetra ary aman-tapitrisa no laniny raha ho afaka. Marina fa misy ny rivodoza isan-karazany fa dia radedaka foana koa ny fomba iatrehan’ny fitondrana azy. Ilay tena fahavoazan’ny olona toy ny any amin’iny Vatovavy iny izao, izay efa in-droa nandalovan’ny rivodoza, nefa dia izay talaky maso ihany no enjehina sy mody hideraderana fa ilay fahavoazana lalina tsy misy mpijery toy ireny resaka madco sy kapisily ireny, hoy hatrany ny Teza. Tsy te hanome andraikitra an’ireo intsony koa izao tontolo izao noho ny fahitany ilay mafia eto fa dia voatery miditra an-tsehatra, hoy izy ireo, ka tompon-draharaha ny vahoaka ary anjarany ny mamerina ny fitondrana eo am-pelantanany satria tsy nifanarahana izany fitondrana feno fikorontanana izany ary mila mandray andraikitra hanova ny tantara izy.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko politika Teza
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT