Hoy governemanta vaovao io no atao hoe governemanta be tsy handraofana, hoy ny antoko politika Teza. Toy ny lasa omby mahia be tandroka ny firenena,
izany hoe mizaka ny tsy eran’ny ainy, hoy ny filohan’ny antoko, ny Dr Jean Louis Rakotoamboa. Firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika nefa 32 isa be izao, izany hoe betsaka indrindra, ny ministera. Tsy mino aho hoe hahavaha olana izany, hoy izy, satria ny vola enti-manana hanarenana ilay firenena tsy misy. Ny olona asaina mitantana anefa be loatra. Vao mainka vesatra ho an’ilay firenena ilay izy. Taratra amin’io governemanta vaovao io fa tsy hain’ingahy Rajoelina sy Christian Ntsay ny mahalala ny tena filan’ny firenena. Governemanta 22 isa any no filan’ny firenena. Mahay mitsitsy sy mitantana tsara izany fahantrana izany fa tsy be dia be dia lasa governemanta famaliafaliana ny ekipa fotsiny satria manomboka tsy tian’ny olona izy. Kely ny vola eo am-pelantanana hanarenana ny firenena ary indrindra hiakatra indray io vidim-piainana io raha vao hiakatra io vidin-tsolika io dia tsy ho hay ny hitantana izany ka tsy hisy azo antenaina amin’io governemanta io ary tonga amin’ilay fitenenana hoe “Ny tarehy no ratsy dia ny volo no aolankolana.” Ny fahaiza-mitantana, mitsitsy, ny fahalalana ny fahoriam-bahoaka no hiankinan’ny vahaolana fa tsy fanovaovana olona. governemantan’ny fisokafana hiaraka hisosy angamba io fa tsy misokatra mba hampihena kokoa ny fandaniana. Vao maika hitombo izao ny fandaniana sy adidy ataontsika vahoaka Malagasy amin’ireo olona be dia be mitondra ireo satria tsy maintsy ny volam-pirenena no hizioga an’io, hoy hatrany ny antoko politika Teza, ary amin’ny lafiny rehetra ny ho fiantraikany ratsy amin’izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.