Resaka ka atao, hoy ny antoko politika Teza, ny filazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, hoe miantso ny fitiavan-tanindrazana sy izao sy izao fa aza adino fa raha ny tena marina, Andry Rajoelina, dia olon’ny frantsay nampiasainy foana.
Nampiasain’I Nicolas Sarkozy hanongana ny fitondrana teto ary ny vokany dia izao, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Potika ilay firenena. Olon’ny frantsay izy izany. mampahatsiahy ny tenin’ny filoha Ratsiraka tamin’ny fahatongavany teto Madagasikara fa hoe nandefasan’ingahy Sarkozy iraka izy hanampy an’ingahy Rajoelina hanongana ny fitondrana tamin’ireny fotoana ireny. Mahagaga ahy raha izao izy no milaza ho tsy olon’ny mpanjanatany. Isan’ny olon’ny mpanjanantany mahatonga izao krizy hatramin’izao itenenantsika izao izy. Halatra be tamin’ireny tetezamita ireny ny andramena. Izao ny volamena mivoaka. Ahoana no tany ivelany ireny vao hita? Fomban’ingahy Rajoelina io miteniteny be io fa tsy araka izay no ataony. Betsaka ireo babakotom-bazaha manodidina io fitondrana io no mbola ampiasain’ny frantsay ary mbola ampiasain’ny frantsay hatramin’izao ireo taranany mba hamotehana ny firenentsika. Ny frantsay raha manohana an’I Zelensky any Okrainina dia milaza fa manitsakitsaka ny zo iraisampirenena ny rosianina. Fa inona ity ataony aty amin’ny oseanina indianina? Maioty fantantsika fa nosamahany hanao referandaoma hisaraka amin’I Kaomoro. Fanitsakitsahana ny tapaky ny fianakaviambe iraisampirenena izany hoe ilaina hajaina ny fiandrianan’ny firenena nomena fahaleovantena. Ho an’ny Madagasikara manokana dia lazain’ny frantsay fa neken’ny filoha Tsiranana fa ho samahana amin’I Madagasikara ireo nosy manodidina. Fanosoram-potaka ny filoha Tsiranana izany amiko. Bodongerina manitsakitsaka ny zo iraisampirenena no ataon’ny frantsay, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Teza
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.