Politique

Antoko politika RCR Hampiofana momba ny politika


  • Zoma 11 Septambra 2020

Efa an-taonany no tsy nandrenesana intsony izany Laza Razafiarison, filohan’ny antoko politika RCR na famondronana ny olom-pirenena tompon’andraikitra izany fa indrindra moa ka ity antoko tarihiny ity.

 

Ho fametrahana ny politikam-pamolavolany ireo mpandimby kosa dia hisy ny fizarana sy fampiofanana momba izany atao hoe politika sy ny tontolony izany, raha ny fampahafantarana nataon’ity filoha ity omaly. Amin’ny alalan’ny finday anefa no ahafahana mamantatra ny daty sy ny toerana hanaovana ity hetsika ity, hoy ny fanazavana, ka ny 14 septambra izao kosa no hanombohan’ny fahafaha-misoratra anarana. Olona miisa 20 ihany ary manana diplaoma Bacc +4 fara-faha keliny no afaka mandray anjara amin’ny fizarana sy fiofanana, hoy hatrany ny fanamarihana. Ny resaka rafitra politika, ny politika avo lenta na “géopolitique”, ny lalan-tsaina ankapobeny momba ireo rafitra, ny fankatoavana fahefana, ny rafitra ekonomika, ny lafiny maha izy azy sy ny fiizina ara-kolontsaina, ny etikan’ny fandraisana andraikitra no santionany amin’ireo fandaharam-piofanana ho dinihina ao anatin’izay 2 andro izay, hoy ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT