Politique

Antoko politika PSD “Efa mitsipozipozy izao fitondrana izao”


  • Zoma 01 Aprily 2022

Ny olona ivelan’ny fitondrana izao dia samy mikarakara ny antokony sy mijery ny fandehan’ny raharaham-pirenena, hoy omaly ny avy eo anivon’ny antoko politika PSD, f

a ny samy ao anaty fitondrana ihany no miheritreritra hifamaly faty angamba. Izahay izao, hoy ny sekretera nasionalin’izy ireo, dia nanome vahaolana tamin’ny alalan’ilay lalampanorenana momba ny fanjakana isam-paritra na “Etat régional”. Tsy manao valifaty amin’iza na iza izahay fa miteny fotsiny rehefa mahita tsy mety ary tsy misorona. Raha misy ny valifaty dia amin-drizareo samy zareo ao satria mipoitra daholo ny tsy fifankatiavana, fihinanan-kely, fihinanam-be sy ny hafa rehetra sy ny fifandrafiana anatin’ilay hoe Mapar na TGV koa aza. Tsy eto Antananarivo ihany io fa hatrany Mahajanga izao dia nivoaka hatramin’ny tsy tokony hivoaka. Izay angamba ilay hitan’ny filoham-pirenena hoe valifaty. Fitondrana efa mitsipozipozy ny dikan’izany izao fitondrana izao aminay. Fitondrana matanjaka ve dia hibaribary toy izany ny ady rehetra? Mijaly ny vahoaka ary diso fanantenana daholo ny olona. Mifanaraka izany rehetra izany ary misy fifandraisany. Fahitako ny filazan’ny filoham-pirenena hoe sahy maty ho an’ny tanindrazana izy dia io ilay antsoin’ny vazaha hoe “sursaut du dernier moment”. Amin’ny fotoana farany rehefa tsy misy intsony ny tenenina dia atao izay mampihetsi-po vahoaka mba hahatonga azy ireo ho raikitra aminy toy ny taloha. Raha sahy maty ny filoham-pirenena dia misambotra ny mpangalatra eo akaikiny na mpandraharaha io na mpitondra hita fa mampiditra an’I Madagasikara anaty lavaka na mety hamono azy aza. Efa tsy misy vahaolana ilay fitondrana ary tsy heno intsony sy tsy voateny ny fampandrosoana. Iny fametrahana ny “Etat régional” efa naterinay amin’ny antenimiera, HCC, fiadidiana ny repoblika sy ny rehetra iny no vahaolana ivoahana amin’ny krizy. Tsy ao anatin’ny fanahin’io vahaolana io mihitsy ny fampisaraham-bazana ary Madagasikara amin’ny maha nosy azy tsy ho tratran’izany mihitsy, hoy hatrany ny PSD, fa sarotra be izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT