Politique

Antoko politika Otrikafo “Voafatotry ny afera maloto niaraha-nanao ny mpitondra”


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Tsy hitan’ny antoko politika Otrikafo izay maha vaovao ny governemanta vao nitsangana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny.

Misy fiantsiana tian’ny mpitondra atao mihitsy ve amin’ny vahoaka Malagasy na kasaina ny hisiana karazana korontana eto amin’ny firenena, hoy ny Otrikafo? Rehefa mijery ilay firafitry ny governemanta dia misy olona tafaverina ao. Misy nafindra toerana. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny minisitry ny raharaham-bahiny isika ohatra dia ny vaovao, Richard Randriamandrato, dia hitantsika izany fa isan’ny olona naha be resaka ny fitantanany ny minisiteran’ny fitantanam-bola. Nafindra ary amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny izy izao. Nandritry ny nitantanany ny fitantanam-bola anefa dia tadidintsika fa nisian’ilay raharaha volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika atsimo. Isan’ny voatonotonona tamin’ireny resaka ireny ny minisitry ny raharaham-bahiny ankehitriny ary isany neverina ho antony nanalana azy tamin’ny toerany izany. Ny minisitry ny rano, Fidiniavo Ravokatra, dia isan’ny minisitra nitantana minisitera andry na “poste clé” teo aloha dia ny harena an-kibon’ny tany. Ny filoham-pirenena ankehitriny ihany no niteny tamin’izany fa tsy nahavaly ny zavatra nandrasana taminy ny minisitra Fidiniavo Ravokatra. Naverina dia nomena departemanta hafa dia ny minisiteran’ny rano indray izy izao. Farany, tsy sanatria isika miresaka olona fa zava-misy ilay izy dia resahana hoe ny minisitry ny tontolo iainana vaovao izany izao dia mandeha ny resaka fa vadin’ny zandrin’ny minisitra Tinoka Roberto. Ankoatran’ny kiantranoantrano izany dia hitantsika hoe misy zavatra mampifamatotra ny filoham-pirenena amin’ny mpikamban’ny governemanta ka mahatonga ilay filoham-pirenena tsy tena sahy manapa-kevitra fa mamadibadika ny ekipa efa tsy nahomby ihany. Tsy misy vokatra azo andrasana amin’izany, hoy hatrany ny Otrikafo, ary ahitana izany fa tsy dia tena manana tanjona mihitsy amin’ny fampandrosoana ny fitondram-panjakana fa voafatotr’izay hoe afera maloto niarahana nanao izay dia voatery mamindramindra sy mamerina namana efa hita ho tsy nahomby tamin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT