Efa nanolotra vahaolana ny antoko politika Otrikafo, tsy hoe hifehezana ny vidin-tsolika fotsiny fa hampihenana ny vidin-tsolika eto amintsika koa.
Matoa tonga amin’izao fiakarana izao isika, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Elia Rabevahiny na Rabe Otrikafo, dia tsy narahana ilay sosokevitra. Tsy mitsahatra ny mandefa izany anefa izahay hahasoa ny firenena. Misy firenena izao vonona hanome antsika solika amin’ny vidiny mora. Efa naroso ny fitondram-panjakana izay sosokevitra izay. Fantantsika fa avokavoky ny toekarena ny solika. Raha misy zavatra hihatra voalohany vokatr’io izany dia tsy maintsy hiakatra ny vidin’entana ilaina andavanandro na PPN. Isika anefa anaty fahasahiranana tanteraka ka tena vonona hamaha olana ve ilay fitondram-panjakana? Raha hoy ny fanjakana hoe aiza izany firenena hitan’ny Otrikafo afaka hamatsy solika antsika izany dia tsy olana mihitsy fa azo hifampiresahana izany. Raha misy ny tokony atao dia ny fialana amin’ny gejan’ireo kaompanian-tsolika miisa 4. Misy fifanarahana tsy mazava nataon’ny fitondram-panjakana tamin’ireo matoa tsy misy ny fifaninanana. Raha vonona hamaha olana ny fitondram-panjakana dia mila mamaha izay geja izay aloha. Mila mandray an-tanana an’io solika io ny fanjakana, izany hoe, tsy hoe miady varotra amin’ireo kaompanian-tsolika miisa 4 toy ny fanaony hatrizay akory, fa mila mijery lalana hafa mihitsy. Nanana ny “rafinerie” isika tamin’ny fotoan’androny fa niniana nopotehana sy namidy moa ilay izy ary ny iray amin’ireo kaompanian-tsolika miisa 4 ireo ihany no nividy azy. Misy an’izay ao Toamasina ka mila averina ny zavatra toy izany. Mila fahasahiana sy finiavana hanapaka ny tadim-poitra amin’ireo kaompania miisa 4 ireo ny fanjakana. Raha tsy vonona ny hivarotra ireo dia be dia be ny olona manam-bola azo ampiasaina eto. Any amin’ny 1000 miliara Ariary any no hoe vola hananan’ireo amin’ny fanjakana ka raha misy izany dia tokony efa ho banky ropotra anie izany ireo kaompania ireo raha ny lojika nefa ianao mahita tobin-tsolika hatsangan’ireo foana isan’andro e! Tsy ny lalan-kivoahana no tsy misy fa ny finiavana, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.