Niteraka resabe teo amin’ny tambazotran-tserasera ny adihevitra nisy teo amin’ny solombavambahoaka miisa 2 avy amin’ny mpanohitra sy mpomba fanjakana ny alin’ny zoma iny satria
efa an-taonany maro no tsy nahita ny tahaka ireny, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo. Ny fanontaniana apetrakay dia hoe hisokatra amin’ny mpanohitra amin’izay ve izany ny TVM sy RNM manomboka eto sa ho sary indray mipika ihany ireny? Ny zava-misy mantsy, hoy ny sekretera jeneraly, Elia Rabevahiny, dia zary efa lasa fananana manokan'ny mpitondra nifandimby ny haino aman-jerim-panjakana ka tsy ahitana afa tsy ny hevitry ny mpitondra sy ny mpomba azy. Manantena izany izahay fa hitohy ny toa ireny mba hahafahan’ny vahoaka malagasy mahazo ny vaovao tena misy marina mba tsy handiso safidy azy ireo indray rehefa tonga ny fifidianana. Mialoha iny adihevitra iny dia nisy ny fanambarana avy amin’ny RMDM hoe tsy handray anjara ao amin’ny TVM. Tsy mahagaga izany satria efa hita mazava ny fivakisana eo samy mpanohitra izay averinay Otrikafo foana hoe tsy mahatsara endrika ny mpanohitra izany fa ilaina hatrany ny adihevitry ny samy mpanohitra mba hahafahana manambatra ny hery saingy tsy misy aloha izay hatreto. Ny fangatahana faharoa ihany koa dia hoe famerenana ny MBS amin’ireo karazana “Canal” efa nisy azy teo aloha. Rariny izany satria manana fifanarahana manokana amin’ireny ilay orinasa ka heverina fa tsy rariny ny fanapahan’ny mpitondra azy ireny. Mamerina foana koa izahay fa ny fanakatonana ny Viva no isany niaingan’ny raharaha 2009. Tsy mahay maka lesona anefa ny mpitondra ankehitriny fa sady giazany ny haino aman-jerim-panjakana no mbola elingelinina ihany koa ny orinasan-tserasera sasany aty amin’ny tsy miankina ka izay no ilazanay hoe tsy mba mahay maka lesona ny mpitondra fa zary manao ririnin-dasa tsy tsaroana, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.