Politique

Antoko politika Otrikafo “Tokony hajanona ny fandraisana fanampiana amin’ny Frantsay”


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Nivoaka iny ny didim-pitondrana frantsay nilaza ny hanaovana ny Nosy sambatra ho valan-javaboary frantsay faha 170,

 

 

hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo. Tsy dia mahagaga, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Elia Rabevahiny, iny fanapahan-kevitra iny satria efa nambaran’ny filoha frantsay tamin’ny fotoan’androny. Tsy nihemotra hatramin’ny farany izy fa ny manahirana dia ity fitondram-panjakana tsy andrenesam-peo ity taorian’ilay resaka hoe fifampidinihana teo amin’ny firenena roa tonta ny 18 novambra 2019. Tsy nihetsika firy ny fitondrana Malagasy afa-tsy zavatra miisa 2. Ny 1 dia ny fampanantsoana ny ambasadaoro frantsay teto amintsika taorian’ilay hoe “ici c’est la France” sy ilay fanohanana azontsika tamin’ny SADC. Miantso ny fitondram-panjakana ny Otrikafo mba hanao hetsika na valin-kafatra ataony manoloana ireny nataon’ny frantsay ireny. Averina foana hoe inona no manakana ny fitondram-panjakana Malagasy tsy hamoaka didim-pitondrana ilazana koa fa an’I Madagasikara ireo nosy ireo? Milaza hiady ireo nosy Malagasy ireo amin’ny frantsay ny fitondrana Malagasy nefa mbola mandray sy mangataka fanampiana aminy. Tokony hajanona koa ny fandraisana izany avy any. Misy ilay fivorian’ny Komitin’ny ranomasimbe indianina na COI atsy ho atsy ka manome sosokevitra ny fanjakana izahay noho izany hoe na giazan’I Madagasikara tanteraka ny fandraisana anjara amin’io hampisehoana amin’ny frantsay ny tsy fahafaliantsika na manatrika ihany fa resaka “lobbying” no atao. Ny SADC ary manampy antsika ka maninona ny COI tsy manampy raha matanjaka nefa akaiky antsika? Mikasa ny hanatona ny minisiteran’ny raharaham-bahiny moa ny Otrikafo ato ho ato hijerena ny tohiny. Ny fanapahana na “resolution 15-14” an’ny ONU dia mampahafantatra fa tsy tokony ho sarahana amin’ny tany avy nozanahana ny tany sy sombin-tany nananany. Mamono tena isika raha miheritreritra fifanandrinana ara-tafika amin’ny Frantsay satria ny olona izao efa miditra any amin’ny atao hoe “guerre bactériologique” ka aleo lanjalanjaina tsara ny paikady, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT