Politique

Antoko politika Otrikafo “Potika ny firenena raha mbola izao fitondrana izao…”


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Mikatso tanteraka ankehitriny ny raharaham-pirenena satria miaina anaty

 

 

 

fahantrana lalina ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo omaly, tetsy amin’ny foibeny etsy Andravoahangy. Mijery ny politikan’ny fitondrana anefa ianao dia hita ho tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena mihitsy. Ny 92%n’ny Malagasy izao dia mitady anio ny harapaka anio. Ny fanjakana kosa mirona bebe kokoa amin’ny fanaovana fotodrafitrasa manara-penitra. Niampy “téléphérique” moa izy tamin’ity. Tsy mifanojo ny politikam-panjakana sy filan’ny vahoaka Malagasy. Planeta roa samihafa ankehitriny no misy ny mpitondra sy ny vahoaka. Tokony hisy ady hevitra eo amin’ny samy mpanohitra satria ankoatry ny Otrikafo dia misy ankolafin-kery hafa mpanohitra koa toy ny RMDM sy Panorama dia hoy izahay hoe mba hampirindra sy hampitovy ny tadin-dokanga ny fanoherana dia andao hiray hina hijery izay fotokevitra hanoherana izao fanjakana mijoro izao satria raha mbola izao endrika fanoherana hita ho misy fisamatsamahana sy tsy fitovian-kevitra izao no mitohy dia tsy hitondra tombony ho an’ny firenena mihitsy. Mora ny milaza ny tsy mety ataon’ny mpitondra fa ilay politika enti-manohitra no hita ho adisoana foana hatrany amin’ny taona 1991 noho nankaty. Voaongana ilay fitondrana saingy tsy nanana politika hanatsarana ny fiainam-bahoaka ilay mpanohitra nahazo fitondrana. Potika anefa ny firenena raha mbola izao fitondrana izao no avelantsika hanao izay danin’ny kibony, hoy hatrany ny Otrikafo.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT