Politique

Antoko politika Natiora “Tsy maintsy miditra amina tetezamita tena izy isika”


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Diso hatreny am-panombohana izao fitondrana izao, hoy ny antoko politika Natiora. Mazava be izy amin’izao, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho.

Mampiomehy izany hoe ny fitondram-panjakana indray no manome “ultimatum”. Ny mpanohitra no tokony manome an’izany. Miantso ny herivelona rehetra no tokony ataon’ny fitondram-panjakana. Izay hitrandrahana an’I Bemolanga sy Tsimiroro aloha no tokony atao raha manana finiavana ny mpitondra. Mbola betsaka aza no tokony trandrahana eto ankoatran’ireo. Mila olona madio saina sy fo ary fanahy hitondra ity firenena ity satria ny fanahy no olona. Tsy mbola any amin’ny 2023 aloha no vahaolana fa mila an’ireo voalaza ireo isika. Mila olona afaka mijoro manana ny hazondamosiny. Mpanao politika nobeazina tanaty antoko politika nihoatra ny 5 taona no tokony hitondra firenena. Tsy hoe mandeha ny orinasanao dia iny ianao no hilatsaka ary izay no maha diso lalana ity firenena ity satria tsy olona nomanina hitondra firenena no mitondra fa lasa olona mpanararaotra na “opportuniste” daholo. Niaina ny vinan’ilay antoko misy azy ve ilay olona aloha na mpandraharaha aza? Tokony foanana izany kandida tsy miankina izany. Mila endrika politika vaovao ny Malagasy ary tokony dinihintsika Malagasy hoe inona no rafitra mety amintsika? Tsy maintsy miditra amina tetezamita tena izy isika satria tsy mbola nisy tetezamita teto fa tetezamitan’ny fitadiavana sy fizarana seza ary tetezamita fanakorontanana no nisy teto. Ny tena tetezamita ilaina izao dia tetezamita handrafitra ny rafitra tokony hitondrana eto Madagasikara. Tetezamita handrafitra ny lalana tokony hitondrana an’I Madagasikara. Miditra amin’ny fanorenana ifotony no dikan’izay, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko politika Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT