Politique

Antoko politika Natiora “Sokafy ny governemanta”


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Miha mitotongana ny mahaolona, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Natiora, nanombana ny fahitany ny fiainam-pirenena teto Madagasikara tato anatin’ity taona 2021 ity.

 Tsy mitsahatra ny manontany izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho hoe misy fanjakana ve eto sa tsia? Tonga amin’ny hoe kamboty velon-dray sy reny ny Malagasy. Nanomboka tamin’ity taona ity dia efa mampivarahontsana na “catastrophique”, hoy ny teny frantsay, ny fiainam-bahoaka. Miiba iray na -1 no naoty omenay ny fitondrana mba hitenenana hoe -5. Ny andininy faha 19 ao amin’ny fanambarana iraisampirenena momba ny zon’olombelona izay manome zo ny rehetra haneho hevitra na ilay zo mahaolona voalazanay teo no tena tsy voahaja. Ny ady tany tsy hita noanoa. Amin’izao fotoana izao izany ny Malagasy sady tsy misakafo, ny saram-pianaran’ny ankizy tsy voaloha, ny vola entina hitsaboana tsy misy, ny fahatahorana sao misy manendaka amina vola 2000 ariary, izany rehetra izany mbola ampian’ny amin’izao fotoana izao fahatapahan-jiro. Ny any amin’ny fampianarana moa dia takotakomana. Nalaza be ny Appollo 21 fa sahala amin’ny nanao afon-jozoro dia nangingiana. Tokony nampahafantarina ny vahoaka satria natatatata be ilay hoe nisy ny fikasana hamono ny filoham-pirenena. Tokony nampahafantarina hoe tena nisy ve ilay izy? Nisy ve ilay tsikombakomba na “complot”? Raha nisy dia inona ilay “théorie du complot”? Nosaziana ny sivily fa nosaziana ny mpitandro filaminana kanefa tsy misy olona tsotra hahavita izany. Raha ny ao anatin’ny lalana dia tsy tokony hisy sazy miantona ny atao hoe “crime”. Ampahafantaro ny vahoaka fa nisy tokoa ilay izy dia ity no porofo! Vahaolana amin’ny taona vaovao ny fanoloana ny governemanta. Sokafy io! Omeo andraikitra daholo na mpanohitra na mpanohana! Aleo mba samy ho tompon’antoka amin’izay! Mila manoka-baravarana hidinika ny filoham-pirenena, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny antoko Natiora

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT