Politique

Antoko politika Natiora Handefa taratasy misokatra ho an’ny sehatra iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Handefa taratasy misokatra ho an’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana, ny antoko politika Natiora, tarihin’ny filoha nasionaliny, Mihari-Ni-Rencho.

 Araka ny fanazavana dia iompana indrindra amin’ny fisorohana ny mety ho fiantraikany ratsy eto amin’izao tontolo izao ny tsy fahaiza-mandamina ny fifandonana ara-tafika eo amin’ny firenen’i Okrainina sy Rosia no tanjona amin’ity taratasy ity. Mipetraka hatrany amin’ny fomba fijeriny hatramin’izay dia ny maha hery afovoany sy mpivoy ny politikan’ny maha olona azy ny antoko. Melohin’ny antoko, noho izany, ny endrika herisetra rehetra mihatra amin’ny maha olona. Mampirisika hatrany ny hisiana sy hanohizana ny fifampiresahana ahitana ny marimaritra iraisana itsaharan’ity ady ity ny antoko. Iangavian’ny antoko indrindra ihany koa ny itandremana ny amin’ny tsy ampiasana ireo fitaovam-piadiana mety hanampy trotraka ny fahapotehan’ny tontolo iainana izay efa iainan’izao tontolo izao ankehitriny, izay efa sady ataon’ity areti-mandripaka Covid 19 ity miha marefo hatrany. Miantso hatrany ny fampihavanana ny olombelona amin’ny natiora, noho izany, ny antoko politika Natiora, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende : Ny filohan’ny antoko Natiora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT