Miakatra noho ny fanapahan-kevitry ny OTAN sy ny amerikanina izao ny vidim-piainana manerana izao tontolo izao, hoy ny antoko politika Natiora.
Mazava ho azy fa hiantraika aty Madagasikara koa izany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Isika anefa mpivaro-drano tratr’orana satria manana an’I Bemolanga sy Tsimiroro izay tokony ahafahana mamelona antsika. Maherin’ny 2 Euro izao ny vidin-dasanjy any Eoropa. Miakatra ny dikan’izay ny saran’ny sambo. Miakatra koa ny vidina entana. Eo ilay mpanararaotra. Tsotra be ny vahaolana. Fotoana hampiasana an’I Bemolanga sy Tsimiroro izao. ahoana no atao hanokafana an’io mba tsy hiakatra aloha ny saran-dalana sy vidin’entana eto an-toerana? Azo atao koa mikasika ny fidiran’ny entana eto amintsika ny fanenana ny haban-tseranana mba hampidina izay vidin’entana izay ifehezana ny vidim-piainana. Azo hanararaotana hanampiana ny tantsaha hazoto hamboly koa izao. Ampirisihina ny olona hamoka-bary ho vidian’ny fanjakana amin’ny vidiny araka ny tokony ho izy. Raha tena te hampiseho io governemanta io fa mahavita dia izay no tokony ataony mba isehoany fa mahay mitsinjo mialoha ny fiantraikan’ny fidangan’ny vidim-piainana izy. Mila fitiavan-tanindrazana toy ny ataon’I Poutine ao Rosia izao, hoy hatrany ny antoko politika Natiora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.