Politique

Antoko politika Natiora “Aza mialokaloka amin’ny hoe tsy an’ny atsy na ny aroa”


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Averina hatrany fa fotokevitra ijoroan’ny antoko politika Natiora, hoy ny filohany, Mihari-Ni-Rencho, ny politikan’ny mahaolona.

Manana fomba fijery afovoany na “centriste” koa izahay izay averina foana fa tsy midika hoe tsy an’ny atsy na ny aroa na koa hoe “neutre”, hoy izy. Tsy miteny izany “neutre” izany fa ny “centriste” tompoko dia manana ny heviny. Ny “centriste” rehefa voakasika ny mahaolona dia tsy maintsy itenenany. Misakafo ve ny vahoaka? Mahazo fitsaboana ara-dalana ve? Mahazo mianatra ve ny zanany? Izany no maha “centriste” fa diso ny fandraisan’ny antoko politika sasany azy. Misasaka izao ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra. Misy mpitondra, mpitantana, tena mpitandro filaminana ve eto? Rehefa dinihina tsinona ireo sehatra ireo dia tsy voafehy. Mila mijoro hilaza izany ny antoko politika fa tsy miafina amin’ny hoe izahay hery afovoany tsy an’ny atsy na ny aroa. Izahay izao tsy menatra ny miteny hoe mijoro ho mpanohitra anatin’ny RMDM satria arofanina ny fanoherana mba tsy hanaotao foana ny mpitondra. Tsy hoe rehefa mahazoazo aina kely ny mpanohitra dia hiteny daholo hoe izahay mpanohitra. Rehefa tsy izay indray dia hoe izahay aty amin’ny mpitondra. Fanaovana politika tsy manana ny maha izy azy izany. Ireny olona ireny no tena manahirana. Ny mampalahelo izao dia lazaina fa tsy ampy ny mpitandro filaminana nefa ny ankabeazany dia ampiasaina hiaro tombontsoan’olom-bitsy na vahiny eto amin’ny firenena. Efa sady omen’ny vahoaka vola no mbola mandray vola amin’ny maha mpitandro filaminana azy. Ilay vahoaka tsy afaka miasa satria vizaka. Sady voatery miaro ny fananany izy no mbola miala vola manakarama ny mpitandro filaminana hiaro ny fananany ka rariny ve izany, hoy hatrany ny Natiora.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT