Politique

Antoko politika MMM “Famonoana vahoaka ny tsy fihainoana azy”


  • Alatsinainy 25 Jolay 2022

Manoloana ireo toe-draharaha rehetra misy eto amin’ny firenena, ny Antoko politika Malagasy Miara-Miainga na MMM dia manameloka ny fihantsiana etsy sy eroa, na avy amin’iza na iza.

Amin’ny maha firenena manaja ny soatoavina demokratika an’i Madagasikara kosa, hoy izy ireo, dia zo fototra ananan’ireo vahoaka ao aminy ny maneho hevitra an-kalalahana sy araka ny fitsipika entina hitandrovana ny filaminam-bahoaka rehefa misy ny toe-draharaha mankarary azy. Tsy ekena ny fanohitohinana ny fanehoan-kevitra atao am-pahalalahana sy am-panajana satria na misy aza ny tsy fitovian’ny fomba fijery dia samy te hikatsaka hoavy tsara kokoa ho an’ny Malagasy avokoa isika rehetra. Ny fahasahiranana andalovan’ny firenena sy ny fahantrana hiainan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana andavanandro dia tsy tokony atao fitaovana entina hanararaotam-pahefana na entina hanankorotanana ity firenena malalantsika ity, hoy hatrany ny MMM. Nanotrona ny tatitry ny depiote Edizard tany Vohemar moa ny filoha nasionalin’ity antoko ity, Andrianainarivelo Hajo, ny sabotsy teo. Mila mifampihaino isika, hoy izy ary maka ny hevitry ny eny ifotony raha te hampandroso ny firenena. Tsy voatery ny hevitry ny any ambony hatrany no hampandrosoana. Isika ety ifotony no mahalala ny mahasoa sy mahatsara. Tsy resaka momba ny olan’ny lavanila manoloana ny vidin’izany ihany manoloana ireo tantsaha fa eo amin’ny fiainam-pirenena koa. Fanovana hataontsika ny mba ho olona mihaino ny ety ifotony no fidiana amin’ny manaraka, hoy hatrany izy. Navoitran’ny depiote Edizard kosa fa famonoana vahoaka ny tsy fihanoana ny feon’izy ireo, momba ny lavanila. Nohitsiny fa tsy izy ny vidin’izany amin’izao fotoana izao ary mbola famotehana ny tantsaha koa izany. Marary ny vahoaka, hoy izy. Ambany ny vidiny ary taraiky ny fivoahan’ny tsenan’ny lavanila manta sy masaka. Ilana vaha-olana maharitra izany ary aoka hofaritan’ny tantsaha ny fotoan’ny tsena, hoy hatrany izy. Notanisainy avy eo ny asa vitan’ny minisitra teo aloha, Andrianainarivelo Hajo tany Sava toy ny lalana sy tranompokonolona.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT