Politique

Antoko politika marobe Tokony hojerena fa tsy avela hivangongo fotsiny


  • Alakamisy 31 Desambra 2020

Tokony hojerena fa tsy avela hivangongo fotsiny ireo antoko politika marobe eto

 

 

amintsika hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady tale jeneralin’ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA, omaly. Diso be loatra mantsy izy ireny hoy izy nefa tsy mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena akory. Ny fananana antoko politika mantsy dia midoika ho adidy hiantsorohana ho an’ny mpiray tanindrazana sy ho an’ny firenena fa tsy avela amin’izao fotsiny hoy hatrany izy. Mila fanamboarana izany hoy izy koa hanairana ny Fitondram-panjakana. Laharam-pahamehana hoy hatrany izy ny fijerena ny lalam-panorenana. Nasiany resaka manokana ihany koa nandritra izany ilay resaka fanorenana tanana vaovao. Tsy ny fanaovana izany no ratsy hoy izy fa ilay toerana nanaovana azy no tsy mety. Toraka izany ilay tetikasa Bas Mangoky hamatsiana sakafo ny mpiray Tanindrazana izay tokony hotohizan’ny Fitondram-panjakana. Nomarihiny manokana fa tsy tokony ireny vary stock avy any amin’ny Sinoa ireny no hamatsiana ny Malagasy fa ny vary gasy, ny makaliokan’Ambatondrazaka, ny madrigal izay tena tsara tokoa. Farany moa izay tsy kely akory dia notsiahiviny fa ilaina hatrany ny mpitondra sy ny mpanohitra ary ny hery afovoany hahafahana mampandroso ny firenena.

Pati

 Legende :  Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy

(Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT