Politique

Antoko politika Fiombonana “Tsy miankina amin’ny krizy any Okrainina ny fiainantsika”


  • Alarobia 11 Mey 2022

Tsy miankina amin’ny krizy ao Okrainina ny fiainantsika eto Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Fiombonana.

Manana loharanon-karena maro azo trandrahana isika, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, hamahana ny olana misy, indrindra, ny lafiny ara-tsosialy. Tokony tsy hihanona fotsiny amin’ny vahaolana vonjimaika toy ny fampiakarana karama fa tokony hijery vahaolana maharitra. Ny fiakaran’ny vidim-piainana nisy foana fa tsy hoe lasa alohan’ny fampiakaran-karama izany tamin’ity. Manampy an’izay dia vao mainka misarika fampiakarana vidin’entana koa ilay fampiakaran-karama ka sao diso paikady ihany ny fitondram-panjakana raha mihevitra hamaha ny fahasahiranana misy amin’izao fotoana izao ny fampiakaran-karama? Mila jerena ny seha-pihariana misy eto Madagasikara satria aza adino fa raha voavolavola ireo seha-pihariana ifotony dia ho moramora kokoa ny vidim-piainana aty an-drenivohitra satria ny famokarana dia avy any ifotony. Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao ny fanararaotana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny mpitondra manararaotra ny madinika. Ny mpivarotra manararaotra ny mpanjifa saingy misy ilay fomba fijery vahiny izay moa hoe “vol autorisé” na halatra omena alalana ny varotra. Mila jerena noho izany ny momba ireo sarangan’olona tratry ny fanararaotana. Resaka tsy fisiana entana tsinona no mahatonga ilay fanararaotana ka mila miditra an-tsehatra amin’ny fampiharana ny atao hoe “vérité des prix” ny fanjakana. Ohatrinona no nankan’ireo mpivarotra ny entany dia tokony ohatrinona, noho izany, no hamarotany azy? Mila fantarin’ny tomponandraikitra, indrindra, eo anivon’ny minisitera hoe taiza avy no lalan’iny entana amidy iny vao tonga eo amin’ilay mpivarotra, hoy hatrany ity antoko ity ?

J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT