Politique

Antoko politika Fiombonana “Tsy mba nianatra politika izay mpitondra teo”


  • Talata 03 Mey 2022

Nambara tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny hotely Tometal Mahamasina ny sabotsy teo ny fitsanganan’ny antoko politika vaovao antsoina hoe “Fiombonana” izay tarihin’ny filohany, Jocelyn Abel Ralison.

Efa nitsangana ara-dalana araka ny didim-panjakana 52-41/2022 ny 24 martsa 2022 teo izy io, hoy ny fanazavana. Tanjonay, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Durlin Retogniane, ny ampihombona ny hevitra sy angovo rehetra misy eto amin’ny firenena. Tanjona ankoatrany dia itoviana amin’ireo antoko hafa fa isan’ny mampiavaka anay koa dia ny fanomezanay hasina ny soatoavina Malagasy izay hita ho miha very. Ny fitaizana ny tanora mba handray andraikitra amin’ny seha-pihariana rehetra entina mampandroso ny firenena no heverinay fa isan’ny lalana hahatongavana amin’izany. Manana ny ideolojiany ny antoko ary ny kaongresy nasionaly no hanapaka ny fipetrany arakaraky ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena eo. Hisy ny fidinana ifotony amin’ny faritra rehetra izay efa misy ny ratsa-mangaikan’ny antoko. Ny fanisana ofisialy ny isan’ireo mpikambana isam-paritra no hialoha ny kaongresy, hoy hatrany ny tenany. Tsy manavaka amin’ny maha “Fiombonana” azy ny antoko, hoy kosa ny filoha lefitra, Aris Rakotoarisoa. Misy ireo raiamandreny eo amin’ny sehatry ny politika ary misy ireo tanora vao misandratra mila ampianarina ny atao hoe ideolojia politika, hoy izy. Hatreto dia hiaraha-mahalala fa tsy mba nianatra ny atao hoe politika izay mpitondra tonga teo. Antony hijoroan’ny “Fiombonana” noho izany ny hampianatra ireo tanora hoe ohatran’izao no politika natao hitantanana ny firenena. Manana ny foto-pisainany, ny lentany sy ny fahaizany koa ireo mpanao politika tranainy. Afaka mifampizara traikefa amin’ny tanora izy ireny. Anisan’ny antony hamerenanay ilay hoe hasin’ny fahendrena sy soatoavina Malagasy anaty antoko izany satria tsy manaja lehibe intsony ny tanora ankehitriny, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT